Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy hazo hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana nampiseho ny fanohanana ny firaisankinan'ny sendikà toniziana ( fantatra amin'ny fanafohezana anarana hoe UGTT) ny polisy, tao an-drenivohitra Tunis, ny andron'ny 25 Febroary. Nampangain'ny sendikà ho nanimba ny biraon'izy ireo ny mpikambana ao amin'ny antoko mitondra Ennahdha ka nanomana fihetsiketsehana.
Nilaza hiaka manohitra ny fitondrana tahaka ny hoe “Mitady ny hialan'ny governemanta ny vahoaka” sy ny hoe “Miala ny Ennahdha” ny mpanao fihetsiketsehana heverina ho 3000 isa eo ho eo.
Masoivohon'ny France24 , David Thomson no nisioka [fr]:
A #Tunis grosse manif du syndicat UGTT et de la gauche devant le MI pour dire “Dégage Ennahdha”
Mpanoratra ny Le Blog Boukornine mamahavaha ny toe-draharaha ao amin'ny takelaka Facebook [fr]:
Des images dignes d'une guerre au centre-ville… des hordes de policiers dont certains sont cagoulés armés de bâtons et de matraques, lançant du lacrymo.
Une férocité incroyable. Des blessés, des femmes et des enfants transportés en urgence à l'hôpital Charles Nicole… Atmosphère étouffante.. Les affrontements se poursuivent à l'heure qu'il est par les bourreaux de la république qui répriment gratuitement et illégalement une manifestation pacifique autorisée dans cette Tunisie post-révolutionnaire. #ACAB
Nivadika nisy herisetra ny hetsika rehefa nibaiko ny mpanao fihetsiketsehana hiala ny polisy saingy tsy nanaiky nanao izany. Sameh B.A nanoratra [fr]:
les flics nous ont demande de partir. l'autorisation de 12 a 14h. ensuite il ont attaque
Maro ny naratra nandritra ny fihetsiketsehana ny Asabotsy. Emine M'tiraoui, nitatitra ho an'ny bolongana iraisana Nawaat [ar]:
الى جانب اصابة الشاب محمد الدريدي على مستوى الراس والناشطة ايناس التليلي برضوض على مستوى اسفل الظهر
مع تاكيد المتضررين بان هذا الاستعمال المفرط للعنف لا مبرر له و انه يذكر بتصرفات وزارة الداخلية ايام القمع و اجمعوا على ان نفس اساليب القمع الهمجية متواصلة
Tafihana ny mpanao gazety:
Namely am-bava sy nidaroka mpanao gazety ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana. Manodidina ny 10 ny fanafihan'ny polisy ireo mpanao gazety voarakitra. Nanameloka ny fanafihana tao amin'ny filazana an-gazety ny Sendikà nasionalin'ny mpanao gazety toniziana, ary manam-pikasana ny hitory ny minisiteran'ny atitany toniziana.
Radio Kalima mitatitra ao amin'ny takelaka Facebook [ar]:
الاعتداء بالضرب من قبل عون بوليس بالزي المدني رغم انه كان يحمل
بطاقته الصحفية
Ny radio teo ihany nitatitra [ar]:
زهير الوزيدي تعرضا للاعتداء من قبل اعوان بالزي المدني
Efa ho 14 volana taorian'ny nionganan'i Zeine El Abidin Ben Ali, dia mbola enjehina noho ny fanaovana teny manohitra ny fitondrana ny mpanao fihetsiketsehana ary mbola itsakitsahan-jò eo ampanaovana ny asany hatrany ny mpanao gazety.