Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mali: Ny Renirano Niger An-Tsary

Nanao fitsidihana sekoly ambanivohitra vitsivitsy tamin'ny alalan'ny sambo nentin-drazana Maliana i Boukary Konaté, ao anatin'ny fikambanan'ny Global Voices ao Mali, vao tsy ela akory izay noho ny tetikasam-pampianarana aterineto tontosainy. Io dia io no nahafahany manavatsava sy nakany sary ny karazan-javatra maro hita ao amin'ny fireneny manaraka iny reniranon'i Niger mirefy 4184 km iny.

Ny reniranon'i Niger no fahatelo lava indrindra eto Afrika, manaraka ny reniranon'i Neily sy Congo. Ny loharanony dia any amin'ny faritra avo ao atsimo atsinanan'i Guinea ao. Miakatra manaraka an'i Mali, Niger ny làlany ary avy eo mandalo ao Nigeria, hatrao amin'ny vinanihefaka ao Niger miafara ao amin'ny ranomasimben'i Atlantika.

Indreto sarin'i Niger vitsivitsy nalain'i Boukary Konaté sy ny ekipany, nahazoana alalana ny famoahana izany sary izany. Sary maro hafa kosa no mbola azo jerana ao amin'ny andian-tsary Segou Connection napetraka ao amin'ny kaonty Flickr an'i Briconcella.

 

Reniranon'i Niger tazanina avy ety amin'ny moron'i Sekoro, ao Mali
Sambo nentim-paharazana ao an-drenidranon'i Niger, andeha hiantsena
Ouro Mody,  tanànan'ny mpanjono ao Niger ,  maritrano nentin-drazana Fula 
Moskean'i Djafarabe faritra Fula
Vehivavy manovo rano tao amin'ny reniranon'i Niger mba hanondrahana tanimbary 
Zanaka mpanjono milalao ny fitaovam-piasana
Fiainana anaty sambon'ny UNESCO
mpiantsambo manao fanamiana nentin-drazana
lakana misosa takariva maty masoandro eo an-dreniranon'i Niger

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.