Tantara mikasika ny Tanzania
Tanzania, pôlitika vaovao momba ny VPN, mampihanjahanja ny olona LGBTQ+
Ireo mpanohitra ilay fitakiana fisoratana anarana navoakan'ny TCRA ho lalàna vaovao mifehy ny VPN dia milaza fa manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo hafa voalazan'ny Lalàm-panorenana ao Tanzania izy io.
Topimason'ny tontolon'ny media ao Tanzania
Manamarika ihany koa ny Reporters Sans Frontières fa maro ny seha-baovao no politisiana na olo-manandaza no tompon'ny seha-baovao, ka mahakitika ny fahaleovantenana ara-panoratan-dahatsoratra ary mitarika ho amin'ny fitongilanam-baovao.
Famantarana ny fanombohan'ny fifandraisana am-pitiavana ny fanatrehan'ny Filohan'i Tanzania Suluhu ny hetsika ataon'ny mpanohitra
Amin'izao fotoana izao, i Suluhu dia niditra amin'ny lalana mankany amin'ny andianà fanavaozana miaraka amin'ny fifantohana mafy amin'ny fanavaozana ny rafi-pitsarana sy ny fanavaozana araka ny lalàna ary hampiantrano ny filoha lefitra amerikana Kamala Harris aoriana kely amin'ity taona ity
Ny Aflatoxins, fitambarana poizina mahafaty, no loza mitatao ho an'ny foto-tsakafo any Afrika Atsinanana
Ambaran'ny fikarohana natao tany Afrika fa ny 40 isan-jaton'ny homamiadan'ny aty, farafahakeliny, dia vokatry ny fiparitahan'ny aflatoxine avokoa.
Fandinihana ny olan'ny fiovaovan'ny toetrandro sy tsy fahampian-drano ao Tanzania, ary fikarohana vahaolana mahomby
"Ny vehivavy sy ny ankzy no mizaka ny mavesatra indrindra mitatitra rano. Vokany, mihena ny fahafahan'izy ireny mahazo fampianarana sy fivoaran'ny tena manokana, manidy azy ao anaty kiboriborim-pahantràna"
Mandroso ny zo ho an'ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra araka ny lalàna vaovao ao Tanzania, saingy mbola misy ny sakana
Raha manome fiarovana ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra manokana ny Lalàna momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra, dia miteraka ahiahy lehibe eo amin'ny sehatra goavana izany, toy ny fanitsakitsahana ny fiarovana sy ny fahaleovantenan'ny Vaomieran'ny Fiarovana Angon-drakitra.
Mitontongana ny fahalalahana maneho hevitra ao Tanzania
Any Tanzania, dia zon'ny olom-pirenena tsirairay avy araka ny lalàm-panorenana ny fahalalahana maneho hevitra, kanefa nopotehina noho ny fandaniana sy fampiharana ireo andiana lalàna famoretana tsy an-kiato nandritra ny taona maro.
Tatitra Unfreedom Monitor: Tanzania
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Tanzania. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.
Fidirana ao amin'ny angon-drakitry ny “Unfreedom Monitor”
Fisantaran'andraikitra Advox ny Unfreedom Monitor handalinana ny fahatakarantsika ny fifandraisan'ny teknolojia sy ny fahefana tsy refesi-mandidy.
#AfricansInUkraine (AfrikànaAoOkraina): Mpianatra izahay, tsy manana fitaovam-piadiana
Olona an'aliny maro no nifindra toerana noho ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia ao Okraina. Isan'ireny koa ireo Afrikàna am-pielezana izay tsy maintsy nihetsika nampiasa ny fomba tsy mahazatra no sady miatrika ny fanavakavahana ara-poko eny an-kianja