avylavitra · Marsa, 2013

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Marsa, 2013

Ekoatora: Tezitra Noho Ny Fahatapahan'ny Famatsian-drano Ny Mponina Ao Loja

  06 Marsa 2013

Anaty fepetra amin'ny tany misahotaka ny faritanin'i Loja amin'izao fotoana izao: efa ho herinandro iray mahery, tanàna mpifanilo-bodirindrina efa ho 60 mahery no tsy manana rano madio fisotro, noho ny olana mianjady amin'ny fantsona goavana famatsiana rano. Naneho ny tsy hafaliany mikasika azy io sy ireo olana hafa any amin'ny faritra ny mponina ao amin'ilay faritany , tamin'ny fampiasana ny tenifototra #Loxaindignada sy #Lojaindignada [es, Loja tezitra].

Venezoela: Nodimandry i Hugo Chávez

  06 Marsa 2013

Io hariva io (05/03/2013), no nambaran'i Nicolás Maduro, filoha lefitra, ny fodiamandrin'ny filohan'i Venezoela, Hugo Chávez Frías. Avy hatrany dia naneho hevitra tamin'ilay fanambaràn'i Maduro ireo mpampiasa Twitter.

Tondraka Keniana Ny Birao Fandatsaham-bato Na Nisy Herisetra Aza Ny Andro Nifidianana

  06 Marsa 2013

Nahalatsaka ain'olona 13 raha kely tao Kenya ireo mpitaky fizakan-tena nirongo antsy lavalela raha an-tapitrisa kosa ireo olona nirohotra marobe teo amin'ny tantara mba handrotsaka ny vaton'izy ireo tamin'ny 4 Martsa 2013 nandritra ny fifidianana solombavambahoaka iray izay tena nobanjinina tokoa taty Afrika hatramin'ireo fifidianana tamin'ny 2007 niafara tamin'ny fifandatsahan-drà teo amin'ireo foko samihafa. Herisetra mitsitaitaika tetsy sy teroa no nanamaloka ilay fifidianana izay azo ambara ho nizotra am-pilaminana ihany

Tosika Orogoaiana Hisian'ny Fitaterana Maharitra

  05 Marsa 2013

Manangona sonia 10.000 ireo teratany Orogoaina mba hanerena ny governemantan-dry zareo hanolotra fotodrafitrasa mifanaraka amin'ny hisian'ny fitaterana maharitra, manomboka amin'ny faritra natokana ho an'ny bisikilety. Kendrena amin'ity fandraisana andraikitra ity ny handinihana momba ny bisikilety ao anatin'ny drafitra lavitr'ezaka nataon'ny firenena ho toy ny fitaovam-pitaterana maharitra.