Tondraka Keniana Ny Birao Fandatsaham-bato Na Nisy Herisetra Aza Ny Andro Nifidianana
Nahalatsaka ain'olona 13 raha kely tao Kenya ireo mpitaky fizakan-tena nirongo antsy lavalela raha an-tapitrisa kosa ireo olona nirohotra marobe teo amin'ny tantara mba handrotsaka ny vaton'izy ireo tamin'ny 4 Martsa 2013 nandritra ny fifidianana solombavambahoaka iray izay tena nobanjinina tokoa taty Afrika hatramin'ireo fifidianana tamin'ny 2007 niafara tamin'ny fifandatsahan-drà teo amin'ireo foko samihafa.
Herisetra mitsitaitaika tetsy sy teroa no nanamaloka ilay fifidianana izay azo ambara ho nizotra am-pilaminana ihany, ny voalohany ho an'ity firenena ity teo ambanin'ny lalam-panorenany vaovao tamin'ny 2010. Amin'ireo mpirotsaka hofidiana no hisafidianan'ny mpifidy izay ho filoha, mpikambana ao amin'ny parlemanta, governoram-paritra, loholona, solontenam-paritra ao amin'ny antenimiera, ary solontenan'ny vehivavy avy amin'ny faritra.
Andrasana hivoaka amin'ny 11 Martsa 2013 ny vokatra ofisialy.
Maro no manahy ny mbola mety hiverenan'ny herisetra nipoaka taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2007. Olona maherin'ny 1.100 no maty ary 600.000 no nafindra toerana taorian'ireny voka-pifidianana nifandroritana sy niteraka korontana teo amin'ny foko samihafa ireny.
Ny sampan'ny Vovonam-pirenen'ireo Mpiaro ny Zon'Olombelona ao Kenya (@nchrdkenya) dia nitatitra fa toa hoe niditra an-keriny tany an-tranon'olona ireo lehilahy mirongo fiadiana ary nangalatra kara-pifidianana tamn'io andron'ny fifidianana 2013 io [tsy afa-nanamarina io tatitra io ny Global Voices]:
@nchrdkenya: Nambara fa lehilahy 50 avy amin'ny fari-piadidian'i Starehe, nirongo “pangas” sy poleta 2 no niditra an-keriny tany an-tranon'olona ary nangalatra kara-pifidianana sy finday. #kenyadecides

@Nairoboy mizara ity sary ity ao amin'ny Twitter sady manontany hoe, “raha ity vehivavy ity, na dia antitra & marefa aza izy, tonga nifidy, inona no fialantsininao?” Loharanon-tsary: @Nairoboy…..
Saingy na teo aza ny tahotra ny hisian'ny herisetra vaovao indray, nandeha nifidy ireo mpifidy an-tapitrisa :
@WanjiruMachari1: #KenyaDecides #Elections2013 miandry ny fepetra farany hikatonany sisa ireo biraom-pifidianana sasantsasany ao #Nakuruare. nahità mpifidy hatramin'ny 80% mahery
Ny vinavina tany am-piandohana dia nanondro fa mety hanintsana ny zava-bita avo indrindra tamin'ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalam-panorenana tamin'ny 2010 raha ny tahan'ny fandraisana anjara, araka ny tonian-dahatsoratry ny National Media, Charles Onyango-Obbo (@cobbo3) :
@cobbo3: ny taha avo indrindra tamin'ny latsabato natao tao Kenya dia ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalam-panorenana tamin'ny 2010; 72.2%. ny #KenyaDecides 2013 mety hahatratra 80% mihoatra!
Ireo mpifidy, izay marary ny sasany, dia nandeha an-tongotra kilaometatra maro mba hampiasa ny zo demaokratika ananany :
@SEREKII: Tsy mbola nahita fikirizana tahaka izany aho tany an-tsiraka! Ny nenitoako izay mararin'ny fahatapahana lalan-drà dia nandeha an-tongotra 2 km mba hifidy #kenyadecides
@wndiwa: Nandeha 100 km ireo Morans mba hifidy tao wamba #KenyaDecides
@MoritzCOTR: Mahazendana, nijoro nitandahatra nandritra ny ora 10 ny ankamaroan'ireo Keniana, tsy nisy nifamono izany #Shocked http://www.independent.co.uk/news/world/africa/at-least-15-reported-dead-in-kenya-election-day-violence-8518677.html
Voalazan'ny tatitra fa laharana lavabe no teny amin'ireo biraom-pifidianana nahitàna ireo mpifidy sasany voatery niandry ora maro nialohan'ny nahafahany nandrotsaka ny vatony. Vehivavy iray no nihetsi-jaza ho teraka talohan'ny nandrotsahany any vatony :
@Toili12: vehivavy iray no nihetsi-jaza ho teraka teo am-pilaharana hifidy tao amin'ny foibem-pifidianana Sekoly Ambaratonga Fototra tao Kariobangi talohan'ny handatsahany ny vatony #KenyaDecides
@nochiel: Elabe ny fifidianana, nandreraka ary tena mandany hery. Sady koa, ny ankamaroanay no niandry ora 5 vao tafiditra tao amin'ny trano fifidianana #KenyaDecides
@Da_Dunx_Mugi: Raha nandany 90 min aho vao nahavita in-15 mandingana, mba firy minitra no ho laniko hahefako dingana in-500-600 hafa?! #KenyaDecides
@japho1: Tsy mbola nilahatra mihitsy aho hatrizay hatramin'ny nanombohako nifidy tamin'ny taona 2002.#KenyaDecides
Kanefa, ireo mpifidy sasany toa an-dry Harry Karanja (@startupkenya) tsy mba nandany fotoana tamin'izay filaharana velively :
@startupkenya: Isaorana ny rehetra tamin'ny fifidianana aloha be, satria noho ianareo dia tsy ampy iray minitra akory ny fitambaran'ny niandrasako #KenyaDecides
Nitoetra ho manatena ny tsara hatrany i Njambi Kiburio (@NjambiII) mikasika ny fifidianana :
@NjambiII: @cnnbrk [CNN Breaking News] manam-baovao ho anreo i Kenya. Mangetaheta vaovao ratsy ianareo, ary tsy hahita eto. #KenyaDecides
Notsindrian'ny sasany tamin'ireo mpisera ety anaty aterineto fa ireo vahiny mpampahalala vaovao dia nifantoka fotsiny tamin'ireo vaovao ratsy. @Owitie mpampiasa Twitter dia nanoratra fa afaka mitatitra ny tantaran'izy ireo manokana ny Kenyana :
@Owitie: Ireo “mzungus” [olona fotsy] vitsivitsy antsoina hoe “wabeberu” [imperialista] dia mila mahatsapa fa tahaka ny #KenyaDecides dia afaka mitantara ny vaovaonay izahay no sady mitantara ny tantaranay.
Ian Cox (@IanECox), tomponà fandraharahana madinika, dia nisaintsaina ny mety hisian'ny Uhuru Kenyatta, izay miatrika fiampangàna any amin'ny fitsarana heloka bevava iraisampirenena noho ny herisetra taorian'ny fifidianana 2007, mandresy amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena :
@IanECox: Manontany tena aho ny amin'izay ho fihetsiky ny mpampahalala vaovao iraisampirenena raha toa ny #kenyadecides mandany an'i Uhuru.. ireto Keniana dombo ireto.. sns sns .
Ny sasany nidera ny zava-bitan'ny Kaomity Mahaleotena Misahana ny Fifidianana sy ny Sisintany ao Kenya. Kabochi Gakau (@Kaytrixx), mpampiala voly, dia nanamarika fa tsara rindra ilay kaomity miohatra amin'ny tamin'ny fifidianana 2007:
@Kaytrixx: Tsy maintsy lazaiko anefa, tsara rindra ny IEBC, tsara lavitra noho ny fifidianana farany teo. Mangarahara. #Peace254 #KenyaDecides
@thisiskenyan: Olona 18 sisa dia anjarako… dona kely ho an'ireto zalahy avy amin'ny “iebc” miasa toy ny misy “turbo” ireto! #Kenyadecides #mugugagreenedition
@Olashmartine: 10ora 7 min mba hifidianana! tsara loatra ry IEBC tena nanao ezaka be tokoa ianareo #kenyadecides #KEpolls2013
Ny hafa indray niditra tamin'ny hanihany momba ny fifidianana:
@keruanna: Ary dia nangeren'ny vorona ny tenanay. Amin'ny manarana, biraom-pifidianana tsy misy hazo no hofidiako #Kenyadecides
@dnahinga: Heveriko fa mba tokony hitarin-dry zareo ihany koa ny ora fivohan'ireo trano fisotroana.#KenyaKwanza Tsy te-hanandrana indray ireny filaharam-be ireny izahay #KenyaDecides
@mwamishitemi: Azoko amafisina fa ny “saranga salantsalany” no tena nandeha nifidy. Ireo mbola any anaty biraom-pifidianan'ny twitter any, manana 15 minitra ianareo #kenyadecides
@FelixDonBash: Heveriko fa ny androany no hamotika ny zava-bita tsara indrindra amin'ny fandefasana sary amin'ny bitsika TwitPics tendrena rantsan-tànana#KenyaDecides
@ngatia_sammy: ireo “morans” Samburu [mpiady Samburu Maasai] dia nandeha 104 km hamonjy biraom-pifidianana, nitaky ny horasina voalohany ry zareo mba hahafahan'izy ireo miverina mamahana ny biby fiompiny #kenyadecides
Farany, nandefa firariantsoa sy fitiavana avy amin'ny Twitter ireo sakaizan'i Kenya :
@tmsruge: Mandefa fitiavana kely ho an'i Kenya izao dieny izao. Maneho amin'ny tany MANONTOLO ny fandehan'ny fandraisana anjara demaokratika. Alefa ry rahalahy malala, alefaaa!!
@RDustinLong: Mirary soa ho an'ireo Keniana namako rehetra amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenen-dry zareo androany. #kenyadecides
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...