avylavitra · Oktobra, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Oktobra, 2011

Sakafo Manerana Ny Tany Ao Amin'ny Blog Action Day 2011

  17 Oktobra 2011

Isan-taona nanomboka tamin'ny 2007 dia mampiray ireo bilaogera manerana ny tany ny Blog Action Day amin'ny firesahana mikasika olana iray manokana eto amin'izao tontolo izao. Anaty fifanotronana dia mahazo mpanaraka an-tapitrisany ireo bilaogera mpandray anjara ireo. Ary tamin'ity taona ity, ny 16 Oktobra 2011 izy ireo dia niresaka momba ny sakafo.

Etazonia: Nodimandry i Dennis Ritchie, Ilay Olo-malazan'ny Siansan'ny Solosaina

  16 Oktobra 2011

Ilay olo-malazan'ny siansan'ny solosaina, Dennis Ritchie dia nodimandry ny 8 Oktobra 2011 teo, tao an-tranony tany New Jersey teo amin'ny faha-70 taonany, namela lova misy fiantraikany goavana eo amin'ny fandrosoan'izao tontolo izao. Ritchie no namorona ny langage C fanoratana rindrambaiko, iray amin'ireo langages maro fanoratana rindrambaiko fantatra nandritry ny fotoana rehetra.

Kamerona: Tsy Nandray Anjara Tamin'ny Fifidianana Ireo Any Ampielezana

  14 Oktobra 2011

Kamerone mpifidy miisa fito tapitrisa no nantsoina tamin'ny 9 Oktobra 2011 mba handatsa-bato hifidy izay ho filoham-pirenen-dry zareo manaraka. Na izany aza, ny resaka fanaovana ankivy no toa mpandresy goavana tamin'ity fifidianana ity, indrindra indrindra fa ho an'ireo Kamerona monina any ivelany. Mitatitra i Julie Owono.

Okraina: Sarimihetsika Fanadihadiana Vaovao Manasongadina ny Fiainan-dry Klitschko Mirahalahy sy ny Asany

  13 Oktobra 2011

Diso fantatra amin'ny hoe "The Klitschko Brothers" - "Ry Klitschko Mirahalahy ", ireo Okrainiana Vitali sy Wladimir Klitschko no nibahana ny divizionan'ny lanja mavesatra rehefa nisintaka i Lennox Lewis tamin'ny 2004. Na izany aza, ny horonantsary fanahihadiana ny fiainany mitondra ny lohateny hoe Klitschko, navoakan-dry zareo (azo jerena eto ny ampahan-tsary fampahafantarana), hatramin'ny nofinofy ara-politikan'ilay zokiny indrindra amin'izy mirahalahy, Vitali, dia maneho fa ireto lehilahy ireto dia tsy vitan'ny hoe atleta tsotra fotsiny.

Polonina: Hetsika Facebook Manindry Ny Mpanao Politika

Nandritra ireo roa volana lasa, nisy hetsika iray tao amin'ny Facebook nantsoina hoe “Appeal to parliamentarians” [pl], na "Antso ho an'ireo Parlemantera", izay nanana mpanjohy maherin'ny 60.000, nanangona vaovao avy eny ifotony mba hanatsaràna ny tontolon'ny lalàna Polone. Aty alohan'ny 9 Oktobra 2011, fifidianana izay ho parlemantera, nanolo-kevitra an'ireo antoko politika ireo mpikarakara ary nanome toky fa hanampy ireo izay manohana ny hevitra lanin'ny betsaka amin'ireo mpiondana aterineto.

Yemen: Mankalaza ny Herimpon'ireo Vehivavy Revolisionera

Tanatin'ny valo volana nanaovan-dry zareo fanoherana am-pilaminana, fakàn-tahaka ho an'ny rehetra ny Yemenita, tsy ho an'ny Arabo fotsiny fa ho an'izao tontolo izao mihitsy. Na dia firenena Arabo mahantra indrindra aza, nasehon'ireo lehilahy sy vehivavy Yemenita ny maha-manankarena azy ireo amin'ny resaka fahasahiana, faharetana ary fijoroana tsy azo hozongozonina, saingy ny tena nampihaiky volana izao tontolo izao dia ny fahatonian-dry zareo.. Noon Arabia dia manolotra haja manokana ho an'ireo vehivavy Yemenita ato anatin'ity lahatsoratra ity.

Okraina: Bilaogera Maneho Hevitra Momba Ny Fitànana Mafàna Fo Iray

Rising Voices  09 Oktobra 2011

Tany amin'ny tapaky ny volana Aogositra tany, Nampikorontan-tsaina ireo bilaogera Okrainiana ny nisamborana an'i Irina Teplinskaya, ilay Rosiana mafàna fo amin'ny fampihenàna ny fiantraikan'ny zavamahadomelina, nampangaina ho mpanondrana an-tsokosoko zava-mahadomelina rehefa niverina avy nanaraka fitsaboana tany Okraina. Toa efa nafahana tany am-ponja i Irina ary nesorina daholo ireo vesatra rehatra nitànana azy.