Polonina: Hetsika Facebook Manindry Ny Mpanao Politika

“Tsy misy afaka manao tsinontsinona vatom-pifidianana efa ho aman'aliny”

Nandritra ireo roa volana lasa, nisy hetsika iray tao amin'ny Facebook nantsoina hoe  “Appeal to parliamentarians” [pl], na “Antso ho an'ireo Parlemantera”, izay nanana mpanjohy maherin'ny 60.000, nanangona vaovao avy eny ifotony mba hanatsaràna ny tontolon'ny lalàna Polone. Aty alohan'ny 9 Oktobra 2011, fifidianana izay ho parlemantera, nanolo-kevitra an'ireo antoko politika ireo mpikarakara ary nanome toky fa hanampy ireo izay manohana ny hevitra lanin'ny betsaka amin'ireo mpiondana aterineto.

Ilay hetsika dia teraka avy aminà fanentanana natombok'io vondron'olona io ihany mba hanovàna ny lalàna iray tena mamepetra ny resaka zava-mahadomelina ao anatin'ny Vondrona Eraopeana; Izy ity dia manana  videospot [pl] iray, endrika fantatry ny maro iray ho entina maneho ilay fanentanana ary farany dia ireo 60.000 mpankafy azy tsy manaiky ny fieritreretana hoe fandefasana any am-ponja mandritra ny telo taona no sazy ho an'ny fifohana tahony iray monja.

Angamba ny Parlemanta Polone nandàny lalàna vaovao momba ny zava-mahadomelina [pl] ary ilay hetsika tao amin'ny Facebook dia nankalaza izany ho toy ny fandresena, na dia maro tamin'ireo mpiondana aterineto aza no nanao hoe tsy misy resaka izany fanovàna izany.

More than 63,000 netizens gathered on Facebook to express their ideas on how to improve the Polish legislation. Image courtesy of the "Appeal to Parliamentarians" organizers.

Maherin'ny 63.000 ireo mpiondana aterineto mivondrona ao amin'ny Facebook mba haneho ny hevitr'izy ireo ny amin'izay tokony hanatsaràna ny lafiny lalàna Polone. Sary nampindramin'ny mpikarakara ny "Appeal to Parliamentarians"

Eo amin'ny rindrin'ilay vondrona ao amin'ny Facebook, iray amin'ireo mpanjohy azy, Alex Raczynski, no nanakiana ilay zava-bita, saingy nanamarika ny nilàna ny fanovàna tamin'ny 26 May:

Teraka tanaty hirifiry, sembana, tsy alehany, tsy hanova zavatra firy. Saingy izany eo ihany, fa tsy ny votoatin'ireo lahatsoratra no tena foto-dresaka eto. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe ireo goaikantitra ao amin'ny parlemantera dia nilefitra nanoloana ny tsindrim-piarahamonina. Arahabaina ry malalako isany. Milàmina saingy am-pitokiana no izorantsika mankany amin'ny fiarahamonina sivily

Rehefa nahazo hery avy amin'ny fahombiazan'ilay fanentanana, nanapa-kevitra ireo mpikarakara fa hanitatra ny faritra iasàny ary namadika ilay fanentanana ho lasa fitaovana iray ho an'ireo tanora mba ho entina manindry ireo mpanao politika. Indrindra indrindra fa ao anatin'ny vanim-potoana akaikin'ny fifidiana izay ho parlemantera.

Hoy ry zareo nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny:

Mba eritrereto: antoko politika izao no hanao tsinontsinona vatom-pifidianana iray alina raha kely indrindra? Ndeha isika hanasa ny namantsika, ‘ndao sarihana ny sain'ireo mpampahalala vaovao ary ‘ndeha hoterentsika ireo mpanao politika. Angamba amin'ny farany mba hanomboka hihaino antsika ihany izy ireo?

“Eny amin'ny solaitrabe!”

Fanentanana iray vaovao sy videospot, nakarin'i Apelujemy tamin'ny 15  Sep. tao amin'ny Vimeo, no nandrisika ireo Polone mpiondana aterineto handefa ny hevitr'izy ireo ao amin'ilay vondrona Facebook

Ao anatin'ny taratasy ho an'ny mpanao gazety, ireo mpikarakara dia nanindry ny tsy fiandaniany ara-politika ary namaritra ilay hetsika ho toy ny feon'ireo tanora izay mahatsiaro ho tsy noraharahaina sy nofitahan'ireo antoko politika.

Michal Juda, iray amin'ireo mpikarakara, dia miteny hoe [pl]:

Manantona ny fotoam-pifidianana àry dia tsy mbola mahita izay olona hofidiana ihany isika. Mamaky  ny fandaharan'asan'ireo antoko politika isika ary tsy mahita na inona na inona tena mba mahaliana antsika. Izany no antony nananganantsika ity hetsika fandraisana andraikitra ity, “Eny amin'ny solaitrabe!”. Miaraka amin'ny fanampian'ny Facebook, te-hampandray andraikitra ny tanora izahay ka hanangana ny lisitray ahitàna ireo tokony ho mpirotsaka. Ary dia hasehonay an-dry zareo mpanao poilitika ireny avy eo [izay hihazakazaka amin'ny fifidianana ho avy] ary hanontany azy ireo ny toerana raisiny manolona azy ireny tsirairay avy.

Nitarika fanehoan-kevitra samihafa io tetikasa vaovao io teny anivon'ireo mpankafy ilay vondrona. Ny 15 Jolay, i Pan Kapica dia nandrisika [pl] ireo mpikarakara mba hanohy ilay fandraisana andraikitra avy amin'ny olom-pirenena:

Hanohana aho, eny fa dia izay bitika indrindra aza amin'ny fanovàna ny lalàna Polone momba ny “ady amin'ny zavamahadomelina”. Mihamafy sy miharihary ny hataka ataon'ny olom-pirenena amin'ireo Parlemantera – ary ilain'i Polonina izany. Raha mahatontosa zavatra toy ity isika, nahoana no tsy hiroso lalindalina kokoa?

Damazy Podsiadło dia nanitrikitrika ny lanjan'ny [pl] hetsika saingy tsy dia matoky loatra ny amin'ny ho fiantraikany marina:

Tsara ilay hevitra, tsara ny ampahatsiahivana an'ireo solombavam-bahoakantsika fa izy ireo dia mpisolo tena  nofinidin'ny vahoaka mba hiasa ho an'ny tombontsoam-bahoaka. Ny fe-potoana fitantanana dia avy aty amintsika (ara-poto-kevitra, saingy, indrindra indrindra, araka ny lalàna koa), noho izany dia manana zo isika hanao hetsika toy izao ary tsy maintsy arindrantsika izany. Izaho manokana dia mihevitra fa amin'izao fotoana ireo parlemantera dia tsy miraharaha mihitsy  ka adinon-dry zareo  io. Noho izany – tsara ny fananantsika hetsika toy izao saingy mbola misy kosa ny mampiahiahy  ahy raha toa ka ho vitantsika marina ny hahatontosa zavatra ao anaty fotoana maharitra raha ry zareo fotsiny no antenaina sy andrasana.

Amin'ny fomba somary mivantambantana, i Kamil Fikou dia namoaka [pl] ahiahy mitovy amin'izany  ihany tao amin'ny rindrin'ilay vondrona ao amin'ny Facebook, tamin'ny 8 Aogositra.

Milay ny fisian'ity hetsika ity ka, saingy ny marina dia tsy mihetsi-bolomaso kely akory amin'io ny governemanta

Ny 17 Jolay, i Iza Forys dia nanohana [pl] ilay fandraisana andraikitra:

Manohana ny fanovàna betsaka atao amin'ny lalàna Polone aho satria efa mila tsy ho azo iainana ity firenena ity. Ary topimaso kely monja amin'ireo firenena any ivelany dia ampy hahitàna ny tsy fitoviana manao atsimo sy avaratra  (ary mba hazava tsara izay tian-ko lazaina, tsy ny marijuana irery ihany no resahako). Mety misedra olana isanandro ny tsirairay amintsika ary minia mikimpy isika manoloana izany, ary dia ao anatin'ny fepetra toy izany no tsy maintsy iasàn'ny tsirairay. Saingy ny fanontaniana dia hoe – tsy maintsy ho izay ve sa izany no mitranga dia noho isika malai-mihetsika? Hotohanako daholo izay fandraisana andraikitra ho fampiraisana ny vahoaka ary miezaka ny hanova zavatra.

El Ogurro dia tsy mino [pl] ny herin'ny hafanam-po ety anivon'ny aterineto ka mitaky hetsika tena mivaingana:

Na angamba efa fotoana izao hahatsapàna fa tsy eo anivon'ny Facebook akory no ovàna izao tontolo izao fa eny an-dalambe miaraka amin'ny Molotov eny an-tànana.

Ary i  Sebastian Chmura nitaraina mikasika ny hafanam-po motraka:

Morabe ny mipotsitra ny hoe “tiko” – saingy avy eo tsy misy olona te-handeha hifidy akory

Na eo aza ny tsy fananana toky, vantany vao nisokatra ny “solaitraben'ny” Facebook, an'aliny ireo olona namaly ny fanontaniana ary nandefa ny hevitr'izy ireo mikasika ny fanovàna ny lalàna Polone. Nokitihan'ireo natolotra ny lohahevitra toy ny fanànana asa, ny politika momba ny fianakaviana ary ny fifandraisana amin'ny fiangonana, ary niteraka fifanakalozan-dresaka maro. Iray amin'ireo olana goavan'ny tanora ny resaka lalàna momba ny zava-mahadomelina – an'aliny ireo mpiondana aterineto no nitaky ny tsy handraisana ny marijuana ho toy ny heloka bevava foana.

Nahazo ny fandrakofan'ny media sasantsasany [pl] ilay hetsika, saingy koa – ny tena mavesa-danja – fanehoan-kevitra marina avy amin'ireo mpanao politika izay namaly ny fanontaninan'ireo mpiondana aterineto tamin'ny alalan'ny lahatsary fohy [pl], azo jerena ao amin'ny YouTube (eto, eto, eto ary eto). Ny fotoana nafàna tamin'ilay fanentanana dia ny adihevitra [pl] tao amin'ny Anjerimanontolon'i  Warsaw (Varsovie) niarahana tamin'ireo solontena avy aminà antoko politika maro. Tamin'ireo antoko politika lehibe, ny hany antoko politika tsy tàzana dia ny antoko Law and Justice (Lalàna sy Fitsarana/Rariny), tarihan'i Jaroslaw Kaczynski.

Ny Alahady 9 Oktobra, androm-pifidianana ho an-dry zareo Polone, ireo tanora mpiondana aterineto dia afaka manapa-kevitra hoe iza no tafita tamin'ny fitsapàna sy namaly tsy nandiso ny fanontaniana teny amin'ny “solaitrabe”  – ary iza  no tsy nahatontosa ny nandrasan-dry zareo. Ity fifanakalozan-dresaka tanaty aterineto ity ve dia fanombohan'ny kalitao vaovao eo amin'ny kolontsaina ara-politika Polone? i Alex Raczynski dia manantena ao amin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny 30 Septambra:

Feno fanantenana aho amin'ny fifanakalozan-dresaka matotra sy lalina ataon'ireo olom-pirenena mikasika zavatra tena izy. Jereo fotsiny izay efa tontosantsika nanomboka tamin'ny politika momba ny zava-mahadomelina. […]

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.