avylavitra · Febroary, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Febroary, 2011

Djibouti: Hanjary Ho Ejipta Iray Hafa ve?

  22 Febroary 2011

Nisy fihetsiketsehana tao Djibouti nanoherana ny Filoha Ismail Omar Guelleh izay nisolo ny dadatoany Hassan_Gouled_Aptidon tamin'ny 1999. Somaliland Press mitatitra fa mpanao fihetsiketsehana 300 no nihetsika tao akaikin'ny lapan'ny governemanta tamin'ny Zoma. Hanjary ho Ejipta iray hafa ve i Djibouti?

Libya: Sakano Ny Vonomoka Ataon'i Gaddafi

Anaty horohoro no hibanjinan'izao tontolo izao an'ireo tatitra mampivarahontsana avy any Libya. Nampiray feo ireo olona avy amin'ny lafy valon'ny tany mba hiantso fampitsaharana ny vono moka ataon'ilay mpitarika Libiana Muammar Al Gaddafi amin'ny vahoaka Libiana ireo vaovao nilaza fandarohana baomba an'i Tripoli avy eny an'habakabaka.

Tontolo Arabo: Adihevitra Goavan'ny Fampitam-Baovao Sosialy

Efa am-bolana raha ny fijery azy no mafotaka ny adihevitra momba ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tamin'ireo fihetsiketsehana. Tsy ela akory izay, nifantoka tamin'i Tonizia sy Ejipta izany adihevitra izany, izay ny tranonkala toy ny Facebook sy Twitter no tena nitana toerana lehibe tamin'ny fandrindràna ny hetsika. Ity ny singany iray amin'izany adihevitra izany, avy tao amin'ny Twitter.

Bahrain: Vaovao miely momba ny Fanaparitahana tao amin'ny Rond-point Pearl

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011. Vavolombelona nanatri-maso sy tatitra maro samihafa avy ao amin'ny Twitter no misesika tonga mikasika ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny rond-point Pearl tao Barhain. @Hisham_g mitatitra ny amin'ilay fanafihana...

Thailand: Mpitantana Tranonkala Miatrika Fitsarana

  18 Febroary 2011

Tonian-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao iray tsy miankina no miatrika fitsarana any Thailand fa hoe nanitsakitsaka ny Lalàna momba ny Heloka Bevava Atao amin'ny alalan'ny Solosaina. Manara-maso akaiky mihitsy ny fitsaràna an'i Jiew ireo mponin'ny aterineto, ny mpanao gazety ary ireo mpiaro ny zon'olombelona. izay tohina mahita ny toerana misy ny fahalalahan'ny aterineto any Thailand

Bahrain: Mipongatra ny Fanoherana Ao Amin'ny Hopitalin'i Salmaniya

Tonga hatrany amin'ny hopitalim-bahoaka lehibe indrindra eto amin'ny firenena ny sakoroka, taorian'ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka tamin'ny Alakamisy 17 Febroary natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny rond-point Lulu. Nanao hetsika ireo mpitsabo mba ho afaka manome fitsaboana maika ho an'ireo maratra ireo. Vakio raha te hahita ny zava-mitranga any.