Thailand: Mpitantana Tranonkala Miatrika Fitsarana

Photo of Jiew from the website of Digital Democracy

Photo of Jiew from the website of Digital Democracy

Chiranuch Premchaiporn (fantatry ny namany amin'ny hoe Jiew), tonian-dahatsoratry ny Prachatai.com, dia nampangain'ny manampahefana ao Thailand eny anatrehan'ny fitsarana ho nanitsakitsaka  ny Lalàna momba ny Heloka Bevava Atao amin'ny alalan'ny Solosaina. Prachatai, izay midika hoe “Olona Afaka”, dia vavahadin-tserasera iray tsy miankina ao  Thailand.

Ny fijery ankapobeny an'ilay tranga dia natolotry ny FACT – Freedom Against Censorship Thailand. Jiew dia voapanga ho namela an-kalalahana fanamarihana folo manivaiva ny Mpanjaka mba hivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Prachatai azon'ny rehetra idirana. Efa nofafàn'i  Jiew  ireo fanehoan-kevitra vantany vao naharay ny fampilazàna nalefan'ny fanjakana izy saingy tsy nanakana ny manampahefana tsy  hisambotra azy izany tamin'ny taona lasa. Raha voaheloka i Jiew dia hiatrika famonjana mandritra ny 50 taona.

Manana lalàna henjana momba ny fanivaivana Mpanjaka ny ao Thailand. Ary tena mahesisetra mihitsy amin'ny fanakànana ireo tranonkala heverina ho manivaiva ny mpanjaka. Nihahenjana ny sivana tamin'ny taona lasa iny nandritra ny fepetra amin'ny tany tsy milamina ho valin-kafatra tamin'ny hetsik'ireo Lobaka Mena mpanohitra ny governemanta. Novinavinaina ho 425.296 raha kely indrindra ireo pejinà tranonkala voasakana tao  Thailand..

Manara-maso akaiky mihitsy ny fitsaràna an'i Jiew ireo mponin'ny aterineto, ny mpanao gazety ary ireo mpiaro ny zon'olombelona. Manana tatitra isanandro mikasika n y fitsaràna an'i Jiew soratan'i CJ Hinke ny  Global Voices Advocacy. Fitsarana dimy no efa natao tamin'ity volana ity – Andro voalohany, faharoa, fahatelo, faha efatra, ary fahadimy. Nahemotra ho amin'ny Septembra amin'ity taona ity ny datin'andro hanaovana ny fitsarana manaraka .

Inona no mampisy lanja manokana ny trangan'i  Jiew? Enjehina tsy noho ny zavatra nosoratany tao amin'ny tranonkalany izy fa noho ny fanehoan-kevitra nataon'ny olon-kafa.  CJ Hinke manampy ny antony mahatonga an'io fitsarana an'i Jiew io ho toy ny teboka manamarika an'i Thailand.

Teboka manamarika ny toerana misy ny fahalalahana maneho hevitra aty Thailand ny tranga mahazo an'i Chiranuch. Izay ho fanapahan-kevitr'ity fitsarana ity dia hamaritra na tena miaina anaty demaokrasia manaja ny zon'olombelona sy  ny fahalalahan'ny olon-tsotra tokoa isika na eo ambany fitantanan'ny miaramila araka izay itiavan-dry zalahy azy.

New Mandala dia mandefa tafatafa iray niarahany tamin'i  Jiew mikasika ny fomba fahitàny ny toerana misy ny fampahalalam-baovao ao Thailand

Rehefa ny fahalalahana eto Thailand no resahantsika, dia tena arahan'ny fanjakana maso akaiky tokoa izy io ary lalaovin'ny sehatry ny dokam-barotra fialamboly sy  ny fandraharahana. Raha miresaka ny vaovao sy ny politika ianao, tsy afaka maneho fanakianana loatra izahay mikasika izay zavatra nataon'ny governemanta, na mety na tsia. Ny ankamaroan'ireo fampahalalam-baovao ao  Thailand dia saika an'ny tafika na ny fanjakana daholo. Olan'ny fizakà-manana izany.

Thai Netizen Network dia nandroso volavolam-panitsiana ny Lalàna momba ny Heloka Bevava Atao amin'ny alalan'ny Solosaina izay zary ampiasaina hanakendàna ny fahalalahan'ny fampitam-baovao

… efa hitantsika fa ny fanmpiharana an'io lalàna io dia nitondra nakany amin'ny fanitsahana ny zon'ny olona  hiteny malalaka, izay zo fototry ny demaokrasia. Ankoatr'izay, io lalàna io dia mifanipaka amin'ny lafiny maro amin'ny toetry ny aterineto, izay manome vahana ny fanararaotana tafahoatra. Na izany aza, tsy nahatsapa velively mihitsy ny governemanta ny amin'ny tokony hijerena amin'ny fomba matotra ilay olana ary hitondra fanitsiana amin'io lalàna manitsakitsaka ny fahalalahana io .

Ny bilaogy FreeJiew dia noforonina mba hanohanana ny ady ara-dalàna atrehan'i  Jiew.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.