avylavitra · Febroary, 2011

imailaka avylavitra

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Febroary, 2011

Bahrain: Kaonty Mampivarahontsana Avy Amin'Ireo Nanatri-Maso ny ‘Vono olona’ Tao Pearl

Mitohy mipoitra ireo fitantarana mampihoron-koditra momba ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka tao amin'ny renivohitra Barhaini, ahitàna ireo mpanao fihetsiketsehana naparitaky ny mpitandro filaminana avy tao amin'ny rond-point Pearl, toerana nofinidin-dry zareo hitobiana mba hanindriana ny fitakiany, raha samy mbola miezaka hanakatra ny tena nahazo azy ireo ny vahoaka Barhaini sy izao tontolo izao.

Bahrain: Lahatsarin'ilay Fanafihana Vao Mangiran-dratsy Tao amin'ny Rond-Point Lulu

Vao niposaka ny andron'ny Alakamisy 17 Febroary 2011, nanodidina ny tamin'ny 3 ora maraina tao Bahrain, dia notafihan'ny polisy mpandrava korontana ireo mpanao fihetsiketsehana resin-tory nanodidina ny rond-point Lulu, ivon'ny hetsika fanoherana atao hoe Andron'ny Hatezerana mitranga ao Bahrain amin'izao fotoana. Indreto lahatsary vitsivitsy avy amin'ireo hetsika nivoaka hatreto.

Ombay mitady: Mila Zaza Marobe i Singapore

  17 Febroary 2011

Nahatratra ny fetra farany ambany 1,16 % ny taham-pahaterahana any Singapore. Mba hampitomboana ny isan'ny mponina, nandroso soso-kevitra ny governemanta ny hampitomboana ny isan'ireo vahiny tonga miasa sy monina any ary mba hampivoarana ity tanàna-fanjakàna kely ity. Ireto ny valinkafatra avy amin'ireo mpitoraka bilaogy

Bahrain: Ny Andron'ny Hatezerana

Tamin'ny toerana maro no nahitàna hetsika tany Bahrain androany, tao anatin'ilay nantsoina hoe Andron'ny Hatezerana teto Bahrain. Taitran'ireo zava-doza ny mponin'ny aterineto rehefa nahita ny fomba feno habibiana nataon'ny polisy nanoloana ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana hatramin'ny maraina vao niposaka, ary nalaky tokoa ny fifanakalozana rohy mankany amin'ny Twitter sy ireo tambajotra sosialy hafa misy an'ireo lahatsary mampihoron-koditra maneho ny habibian'ny polisy.

Sakànan'i Bahrain ny Pejy Youtube sy ny Hafa koa

GV Mpisolovava  15 Febroary 2011

Eo anatin'ireo hetsi-panoherana ao Manama renivohitr'i Bahrain izay nitarika taminà fisamborana olona maherin'ny 200 sy namoizana aina iray raha kely indrindra, ny fijoroana vavolombelona dia milaza fa nijabahan'ny governemanta  ny vohikala, nanakanany ny fidirana amin'ny vohikala toy ny pejy sy lahatsary Youtube, izay heverina fa ny lahatsary mivantana alefan'ny vohikala ...