Libya: Sakano Ny Vonomoka Ataon'i Gaddafi

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny  Fitroarana Libia  2011.

Anaty horohoro no hibanjinan'izao tontolo izao an'ireo tatitra mampivarahontsana avy any Libya. Nampiray feo ireo olona avy amin'ny lafy valon'ny tany mba hiantso fampitsaharana ny vono moka ataon'ilay mpitarika Libiana Muammar Al Gaddafi amin'ny vahoaka  Libiana ireo vaovao nilaza fandarohana baomba an'i Tripoli avy eny an'habakabaka.

Inty ireo Fanehoan-kevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter:

@MbinH: Tena Gadaffled aho [Avy amin'ny mpandika: navadiky ny olona ho matoanteny ny anaran'i Gaddafi].

@JoelTweetsJoel:  Uh, Amerika, tsy ny fotoana toy izao indrindra ve no nahazatra amin'ny firotsahanareo miditra ho polisin'ny tany? Sa va re tsy dia misy tamberim-bidy loatra azo avy amin'ny solike e? #Libya

@sultanalqassemi: vaovao mafanan'ny Al Jazeera: Tatitra maro no manamafy fa mandaroka baomba ny mpanao fihetsiketsehana ao Tripoli ny fiaramanidin'ny tafika. #Libya

@glcarlstrom:  AJA mandray feo vahiny iray misafoaka (rariny loatra) ao Tripoli. Milaza fanafihana an'habakabaka izy, maty  250, herinaratra tapaka, mpikarama an'ady mameno ny arabe.

@DanersB: Mpiantso an-telofaonina ao amin'ny AlJazeera: #Libya: “Tsy misy miverin-dalana izany; fa na fahafatesana, na fandresena” #Feb17

@tadbo: Olana avy any #Libya, tao amin'ny BBC miresaka mikasika ny tsy fahafahan'izy mivoaka & sy ny isan'nyfianakavian'izy ireo maty. *smh* [Avy amin'ny mpandika: ‘Mihivingivina ny lohako‘]

@knimer: AJA: vavolombelona nahita maso tany #Tripoli : Tapaka ny herinaratra manerana an'i Tripoli. #feb17 #libya #gaddaficrimes

@ShababLibya: Vaovao milaza fa be ireo fianakaviana tra-pahafatesana izao ao tripoli tomany mameno tanàna izao tontolo izao mba ampio zahay ee #libya #feb17

@fadisalem:  Namana mitatitra avy any #Libya : nanomboka nihemotra ny vahoaka – fanafihana avy eny an'habakabaka an'ireo làlana any an'elanelan'ireo tranobe. #gaddafi #tripoli #benghazi

@ChangeInLibya: Ny mpanao politikanareo tsy miraharaha izay ‘fihenjanana’ any afovoany-atsinanana izany raha tsy sitrapony e, ary minia tsy mijery fotsiny izao ny vono moka misy ao Libia..Ataovy izay hanajanonana ireo fiaramanidina mpiady !!

@acarvin: Mahita ny soratra “OFFLINE” eo amin'ny Livestream avy amin'ny resaka mivantana mivoaka avy any Benghazi: http://bit.ly/ikvas5 Nanomboka oviana io no tsy nandeha?

@evanchill: Tatitra hoe ny fifandraisana an-tariby rehetra sy  ny aterineto dia tapaka ao Libia nefa ny vahoaka mbola afaka miditra amin'ny tranonkala ihany. Nisy niteny fa mampiasa Wimax ry zareo.

@Gheblawi: Be ny tatitra voamarina avy any #Tripoli fa mavesatra be mihitsy ny tifitra  amin'izao fotoana ary mpikarama an'ady no mivezivezy eny an'arabe eny mamono sy mampihorohoro ny vahoaka #Libya

@kseirafi: AVERENO APARITAKA AZAFADY! Any amin'ny sisintany Ejiptiana  ny Sheikh Faraj, vonona ny handefa sakafo & fanafody ho ao #Libya, antsoy ny finday 0102567759.

@Aladin_: Rà mandriaka no ao #Libya noho i #Gaddafi mamono ny vahoakany ihany. Famongorana vondron'olona sy fanadiovana foko io, Fanjakàna Mpampihorohoro!!!

@swerveut: Mijery izao tontolo izao raha  toa kosa ilay adalalahy #Gaddafi mbola manohy hatrany ny vono olona ao  #Libya! Ireo rehetra mijery nefa tsy manao na inona na inona dia meloka ihany koa! @un [FIRENENAMIKAMBANA] MIROTSAHA AN-TSEHATRA AMIN'IZAY!!

@radymoody: #LIBYA MAMONO OLONA ANATY EFITRANO MIHIDY AZA MANAKORONTANA FA MBOLA MAMONO NY VAHOAKANAY IZAHAY!  EFA TANDINON'NY AMBIN'NY FARAN'NY FE-POTOAM-PITONDRANA VE IO? @BARACKOBAMA

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny  Fitroarana Libia  2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.