· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2019

Ejypta: Bilaogera 2 Navotsotra ary iray hafa mbola tsy hita (podcast)

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

Navotsotra ny roa tamin'ireo bilaogera telo nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009. Navotsotra i Abdel Rahman Ayyash sy Magdy Saad rehefa notazonina nandritra ny enina andro tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo, ary avy eo nalefa tany amin'ny foiben'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fitsikilovana (SSI) ao amin'ny Kianjan'i Lazoghly, (Cairo).

FreeAccess Plus!: Miasa manoloana ny fibahanana Web 2.0

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

Namoaka ny "FreeAccess Plus!" ny developera Iraniana iray hafa, MohammadR, fanitarana mamadika ny Firefox ho ao amin'ny proxy izay manala ny sivana ao amin'ny tranonkala malaza toy ny YouTube, del.icio.us, Flickr, Technorati.com, FriendSter.com, livejournal.com, MySpace, Hi5 ary ny hafa. Maro amin'ireo vohikala ireo no voaràra ao Iran.

Maraoka : Nenjehina noho ny fanalàm-baraka ilay bilaogera Hassan Barhoum

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina ny 25 Febroary 2009 noho ny fanambarany ny raharahan-kolikoly nahavoarohirohy an’Atoa Mohamed Masmouki, izay Lehiben’ny Fampanoavan’ny Mpanjaka ao Maraoka tao amin’ny Fitsarana ambony ao Tétouan ny Bilaogera sady mpanao gazety Maraokana miady amin’ny kolikoly, Hassan Barhoum. Tokony niakatra...

Tonizia : Fisamborana ilay mpikatroka fanta-daza iray tamin’ny famoahana tatitra an-dahatsary an-tserasera momba ny tontolo iainana

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina noho ny famoahana tatitra an-dahatsary tao amin’ny aterineto momba ny fahalotoan’ny tontolo iainana ao Nabeul (Dar Chaabane EI Fehri), izay tanandehibe amorontsiraka Avaratra-Atsinananan’i Tonizia i Zouhaïr Makhlouf, mpikatroka mpiaro ny zon’olombelona sady mpitati-baovao ho an’ny tranonkala Assabil Online...