Ejypta: Bilaogera 2 Navotsotra ary iray hafa mbola tsy hita (podcast)

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2009)

Navotsotra ny roa tamin'ireo bilaogera telo nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009. Navotsotra i Abdel Rahman Ayyash sy Magdy Saad rehefa notazonina nandritra ny enina andro tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo, ary avy eo nalefa tany amin'ny foiben'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fitsikilovana (SSI) ao amin'ny Kianjan'i Lazoghly, (Cairo).

twt-meit.jpg

Ao anatin‘ity fandraisam-peo ity, milaza amin'ny Global Voices Advocacy momba ny zava-niainany nandritra ny fisamborana azy ilay bilaogera Abdel Rahman Ayyash

Tsy niresaka tamin'ny fampahalalam-baovao mikasika ny fitazonana azy ilay bilaogera hafa, Magdy Saad ary tsy nokitihana mihitsy ny bilaoginy. Saingy araka ny filazan'ilay bilaogera Ejypsiana Abedel Moneim Mahmoud, mibilaogy ao amin'ny (Ana Ikhwan- (mpikambana ao amin'ny mpirahalahy Miozolomana aho) izy:

مجدي سعد 32 سنة أحد الكوادر الطلابية في منتصف التسعينات بجامعة القاهرة وناشط بجماعة الإخوان وسبق اعتقاله مرتين تعرض في الأولي منها للتعذيب علي يد أحد ضباط أمن الدولة بلاظغولي المحتجز به حاليا

Efa mpianatra mpikatroka nandritra ny taona 1990s i Magdy Saad (32 taona), raha nianatra tao amin'ny Oniversiten'i Kairo izy. Mpikambana ao amin'ny mpirahalahy Miozolomana ihany koa izy. Nampian'i Mahmoud fa efa nosamborina indroa ity bilaogera navotsotra ity. Tamin'ny voalohany, nampijaliana tao amin'ny foiben'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fitsikilovana  (SSI) ao amin'ny kianjan'i Lazoghly izy, izay mbola nitazonana azy tamin'ity indray mandeha ity ihany.

Mandritra izany, dia mbola tsy hita ilay bilaogera Ahmad Abu Khalil, izay nosamborina tamin'io andro io ihany. Tsy misy mahalala ny toerana misy azy na hoe nahoana izy no nosamborina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.