Ejipta: Mangataka vaovao momba ireo mpitsidika tranonkala ara-politika any amin'ny cybercafe ny polisy

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2009)

Rehefa avy nanagadra bilaogera maherin'ny 100 tamin'ny taona 2008 fotsiny, mampiasa teknika hifehezana ny fahalalahan'ny aterineto ankehitriny i Ejipta, satria mangataka amin'ireo cybercafé ny polisy mba hitsikilo ireo mpanjifany.

Nilaza ny Tambajotra Arabo amin'ny vaovaon'ny zon'olombelona  (ANHRI) fa andro vitsy lasa izay, dia nanery tompona cybercafe maro tany Ejipta ny mpitandro filaminana mba hampahafantatra ny polisy ny anarana sy ny kara-panondron'ireo mpanjifa izay mijery tranonkala “politika”.

Navoakan'ny ANHRI ny fanambarana amin'ny antsipirihany mitatitra fa nanao bemidina tany amina cybercafe tao Cairo ny mpitandro filaminana ary nangataka ny boky fisoratana anarana ho an'ny mpitsidika sy ny antsipiriany momba ny zavatra ataon'ireo mpitsidika hatrany am-piandohan'ny asan'ny cybercafè, hoy ny fanambarana:

When the owner of the place told police that there are no books; they had taken his ID card and the license of the café. Moreover they confiscated the equipments of internet service, and took him along to the Security Directorate in Giza. There he was forced to sign a minute charging him of practicing ‘an activity without a license

Rehefa nilaza tamin'ny polisy ny tompon'ilay toerana fa tsy misy boky; dia nalain'izy ireo ny karapanondro sy ny fahazoandàlan'ilay cyber. Noraofin'izy ireo ihany koa ny fitaovana ampiasaina amin'ny aterineto, ary nentin'izy ireo tany amin'ny Biraom-piarovana any Giza ilay tompon'ny cyber. Noterena nanao sonia taratasy miampanga azy ho manao asa tsy misy fahazoan-dalana

Niantomboka hatramin'ny taona 2005 ity fihetsika ity, araka ny voalaza dia nanery ireo tompon'ireo cyber mba hanoratra ny anarana sy ny laharana famantarana  an'ireo olona mitsidika matetika ny cyber ny mpitandro filaminana. Matetika tsy mandà izany hetsika izany ny manampahefana, mandritra izany dia tsy misy ny lalàna na fanapahan-kevitry ny governemanta amin'izany.

Tsara ny manamarika fa misy cyber marobe manerana an'i Ejipta, izay ahafahan'ny olona miditra aterineto mba hialavoly, manao fikarohana sy mibilaogy; indrindra fa tena mora ny saran'ny aterineto amin'izany (1EGP = 20cent/ora).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.