· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2019

Iran: Nosamborina i Abtahi, bilaogera malaza  

GV Mpisolovava  25 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina ilay mpitondra fivavahana, filoha lefitra teo aloha sady bilaogera Mohammad Ali Abtahi. Fantatra fa nandray anjara tamin'ny hetsi- panoherana ny valim-pifidianana ho filoham-pirenena izy.

Iran:  Mila didim-pitsarana ny fandraràna tranonkala 

GV Mpisolovava  24 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ireo tranokalam-baovao sy ireo bilaogy dia nilaza ny Lehiben'ny Fitsarana Iraniana Ayatollah Shahroudi ny Alahady fa mila didy avy amin'ny fitsarana ny raharaha rehetra ahitana ny fandraràna tranonkala. Nanampy ihany koa izy fa tsy tafiditra ao anatin'izany ireo...

Ejipta: Bilaogera voatafika ao an-tranony

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

Notafihan'ny polisy sy ny rahalahiny izaho sy ny reniko, niditra an-keriny tao an-tranonay izy ireo ary nidaroka ahy. Misy maratra ny lohako ary tapaka koa ny nifiko iray. Tonga ato an-tranoko ny kolikolin' ny polisy!

Nosakanan'i Yemen ny sehatra famahanana bilaogy Maktoob

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoaka ny lahatsoratra voalohany) Maktoobblog.com , iray amin'ireo sehatra famahanana bilaogy Arabo malaza indrindra, dia nakatona tao Yemen ka tsy nahafahan'ireo mpisera Aterineto Yemenita mitsidika ireo bilaogy maherin'ny 46.960 izay miantrano ao amin'ny tolotra. Misy bilaogy Yemenita  miisa 1226 miantrano ao aminy araka...

Tsy nahazo nampiasa ny efitra fatoriana tao amin'ny oniversite noho ny fanoratana bilaogy

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

Satria i Ahmed Abdel Kawi dia nanatanteraka ny fepetra rehetra ilaina mba ahafahany mampiasa ny fonenan'ny oniversite, noho izany, nohelohin'ny Fikambanana ho an'ny Fanampiana Ara-pitsarana amin'ny Fahalalaham-pitenenana izay ao amin'ny Tambajotra Arabo misahana ny Fampahalalana ny Zon'olombelona ny fanapahan-kevitra hanilikilihana azy, izay namoaka fanambarana milaza hoe: