Tonizia : Fisamborana ilay mpikatroka fanta-daza iray tamin’ny famoahana tatitra an-dahatsary an-tserasera momba ny tontolo iainana

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Zouhaier_Makhlouf

Nosamborina noho ny famoahana tatitra an-dahatsary tao amin’ny aterineto momba ny fahalotoan’ny tontolo iainana ao Nabeul (Dar Chaabane EI Fehri), izay tanandehibe amorontsiraka Avaratra-Atsinananan’i Tonizia i Zouhaïr Makhlouf, mpikatroka mpiaro ny zon’olombelona sady mpitati-baovao ho an’ny tranonkala Assabil Online ny 20 Oktobra 2009.

Hita fa misy olona iray antsoina hoe Mourad Ladhib no nitory an’ Atoa Makhlouf, niampanga azy ho naka sary tsy nahazo alàlana, raha araka ny fikambanana maro miaro ny zon’olombelona ao an-toerana.

Nolavin’i Atoa Makhlouf ny fiampangana azy, ary tsy nety nanao sonia ny tatitra nataon’ny polisy izay nilaza fa anisan’ny hetsika ataon’ny Antoko Demokraty Liam-pivoarana- Antoko ara-dàlana izay maha-mpikambana azy ny lohahevitry ilay tatitra an-dahatsary an-tserasera – mba hanadihadiana ny lafiny ara-tsosialy, ara-ekonomika ary ara-tontolo iainana ao amin’ny faritra Neboul, sady nampiany fa tsy naka sary toerana voararan’ny lalana izy ary niampanga ilay mpitory ho namadika resaka politika ny raharaha.

Nentina avy hatrany tany amin’ny fonjan’i Mornaguia any ambanivohitr’i Tonizia i Atoa Makhlouf izay nanombohany nitokona tsy nihinan-kanina ny 21 Oktobra 2009 mba hanoherana ny fitazonana azy tsy ara-dalàna. Notsaraina ho nanao fanalam-baraka i Atoa Makhlouf ny 3 Novambra 2009,  ary niatrika sazy herintaona an-tranomaizina, araka ny Fehezan-dalana mifehy ny Fifandraisandavitra Toniziana.

Nohodidinin’ny sampan-draharahan’ny fiarovana Toniziana sy ny polisy miakanjo sivily ny biraon’ny Antoko Demokratika Liam-pivoarana mba hanakanana ny fihetsiketsehana ho fanohanana ireo mpikatroka voatazona, ny 26 Oktobra 2009. Ankoatra izany, io andro io ihany, nohodidinin’ny Fiarovam-panjakana ny tranon’i Makhlouf mba tsy ahafahan’ireo namany tsy hifandray amin’ny vadiny mba handresen-dahatra azy hanatsahatra ny fitokonana tsy mihinan-kanina izay natombony ny 22 Oktobra 2009 ho fanohanany ny vadiny.

Malgré les menaces continues et les harcèlements auxquels il est soumis, M. Zouhaïer Makhlouf est un des plus actifs défenseurs des droits humains tant online qu'offline. Il a publié plusieurs témoignages (vidéos, audios et écrits) qui ont rompu le silence sur de nombreux sujets sensibles et les violations des droits humains auxquels font face les militants tunisiens et les anciens détenus politiques.

Iray amin’ireo mpiaro ny zon’olombelona mavitrika na amin’ny aterineto na ivelan’ny aterineto i Atoa Zouhaîr Makhlouf na dia teo aza ny fandrahonana mitohy sy ny fanorisorenana natrehiny. Namoaka fijoroana vavolombelona maro izy ( lahatsary, rakipeo ary lahatsoratra) izay nandrava ny fahanginana tamin’ny olana maro saro-pady sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona izay atrehan’ireo mpikatroka Toniziana sy ireo gadra politika teo aloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.