Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2018

Emirà Arabo Mitambatra: Fahafatesana sy faharavàna tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny fiara miisa 200

Teo ambanin'ny fanadihadian'ny bilaogera ny fenitra fitondrana fiara any Afovoany-Atsinanana taorian'ny nahafatesana olona marobe sy naharatràna olona 350 tamin'ny fiara miisa 200 tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra.

Maraoka: Voaroba ny fiainan'i Fouad Mourtada

Azo antoka fa mety tsy tsikaritr'i Fouad Mourtada fa ho lasa anarana malaza izy. Nosamborina tamin'ny 5 Febroary izy ary voaheloka ny 22 febroary 2008 higadra telo taona an-tranomaizina (sady mandoa onitra 1000 dolara) noho ny famoronana profil Facebook maka tahaka ny Printsy Moulay Rachid.

Ejypta: Fanentanana “Atsaharo ny fihoaram-pefy amin'ny zava-mahadomelina”

"Atsaharo ny rongony.. Ovay ny fiainanao" no teny filamatra ho an'ny fanentanana iray vaovao mampiadihevitra natombok'i Amr Khaled tao Ejypta sy ny firenena Arabo hafa.

Yemen: Olona miisa 40 no namoy ny ainy tamin'ny oram-batravatra

Olona maherin'ny 40 no namoy ny ainy ary 30 eo ho eo no tsy hita tany Yemen rehefa avy namely an'i Hadhramout ny oram-be. Mitatitra antsika ny tantara i Omar Barsawad raha nanoratra tao amin'ny bilaogy Moments In Words From Hadhramout .

Fahazoana Rano Fisotro : Fifaninanana Iraisampirenena Famoronana Lahatsary ho an'ny “One Take”

[...] raha toa ny sasany mino fa ny rano dia tokony heverina ho filàna fototra fa tsy zo fototra, ny hafa indray, izay nahitàna an'i Etazonia, Shina, Kanadà, dia tsy mihevitra azy io ho tokony heverina ho toy ny zo fototra maha-olombelona.

Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana

Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "

Torkia am-pitendrena milina…

Talk Turkey nanoratra momba ny Etazonian'i Eorazia ho avy izay niteraka adihevitra tena mahaliana sy fanehoan-kevitra momba ny mpitsara Kiorda vaovao hisolo mpitsara Kiorda hafa mba hitsara an'i Saddam Hussein.

Fihemorana Erantany: “Ny Andalam-pandrosoana, Tsodrano Iray Vonjimaika”

Indraindray izahay tsy manana hohanina afatsy ireo makaronia nampangotrahina sy lasopy amin'ny boaty eny amin'ny mpivarotra. Amin'ity indray mitoraka ity, ny zavatra ratsy indrindra izay mety ho tonga aminay dia ny tsy fahafahanay mandeha miantsena. Tsy misy tokony hampisavoritaka izany.

Ny herinandro tao amin'ny bilaogy Palestiniana: Voina nitranga teny amoron-dranomasina

Vaovao hafa: Faly i Ohoud nandre fa nahavita ny zava-bita tsara indrindra tamin'ny Guiness World ny tanàndehiben'i Ramallah taorian'ny nanamboaran'ny toeram-pisakafoana iray ny sakafo Tabouleh lehibe indrindra. Maromaro ny vaovao voalaza ato...

Nampiseho miharihary ny fijalian'ny vondrom-piarahamonina Ahwazi vitsy an'isa ao Iran ny fahafatesan'ny zazalahy iray 12 taona

Ny famonoan-tena nataon'i Meysam no tranga mampalahelo farany indrindra niseho teo amin'ny vondrom-piarahamonina Ahwazi, mponina vitsy an'isa monina any amin'ny faritra manankarena solika any atsimon'i Iran izay miatrika fahasarotana sy fanavakavahana ataon'ny manampahefana ao amin'ny firenena.