· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Novambra, 2017

Dia Ao amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda

Araka ny vokatra vonjimaika, nolaniana tamin'ny latsa-bato "Eny" ny Fitsapa-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana. Ary raha miandry ny vokatra ofisialy izao tontolo izao, tena mavitrika tokoa amin'ny hevitr'izy ireo momba ny raharaha ny Irakiana Kiorda sy ny Kiorda amin'ny ankapobeny.

24 Novambra 2017

Ny Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Tiorka

Noraisina tsara tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Tiorka ny andiana Bilaogy Tiorka tamin'ny herinandro lasa teo, ary nahitana dikanteny Tiorka tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny tranokala Blog Kardesligi mihitsy aza. Tsy ny dikanteny ihany no tao amin'ny Blog Kardesligi fa fanehoan-kevitra momba ny tetikasan'ny Global Voices (amin'ny teny Tiorka) ihany koa.

23 Novambra 2017

Bahrain: Nahoana Ny Biraon'i Al Jazeera No Nakatona?

Nambaran'i Bahrain fa vonjimaika no nanakatonana ny biraon'ny Fantsona Al Jazeera Mandeha amin'ny Zanabolana noho ny "fanitsakitsahana ireo fifanarahana arak'asa". Mihetsika amin'ny fampiroboroboana ity lahatsoratra ity ireo mpitoraka bilaogy sy mpibitsika - indrindra fa taorian'ny tsaho niely fa nakatona ny foibe any Katàra noho ny tatitra navoakany momba ny fahantrana ao Bahrain. Mandritra izany fotoana izany, milaza ny Al Jazeera fa tsy mbola nampiasa akory ny birao tao Bahrain fa inona no tena zava-nisy marina?

22 Novambra 2017

Syria: Nanangana Ny Klioban'ny Mpamaky Boky Ireo Bilaogera

Sambany no manolotra ny hetsika mamelombelona teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Siriana ny vondrona bilaogera Siriana dia ny fananganana ny vondrona mpamaky boky antserasera izany. Misafidy ny boky izay vakiany ireo mpandray anjara ary mamoaka ny heviny ao amin'ny bilaoginy manokana  folo andro aty aoriana. Manana ny tranokalany ho azy manokana ny klioban'ny mpamaky boky.......

19 Novambra 2017