Ejipta: Ilay Famonoana Ireo Sodaney Mpitsoa-Ponenana

Fanamarihana : Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 6 Janoary 2006

a broken photo frame left behind the refugees.Sary avy amin'i Nora.

Mijanona ho adihevitra mafana eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ejiptiana ny fiafaran'ilay fitorevahana Sodaney nihoson-drà sy nampivarahontsana. Firotsahana an-tsehatra iray hafa nahery vaika nataon'ny mpitandro filaminana izay tsy haiko tantaraina satria manaporofo amintsika fa miaina ao anatin'ny fanjakàn'ny mpitandro filaminana maivandoha i Ejipta. Miaina ao anatin'ny fanjakan'ny mpitandro filaminana i Ejipta ary mbola loza hafa foronin'ireo jiolahimboton'ity fitondrana ity izany. Tsy hajain'ity fitondrana ity ny olona, ny olom-pireneny sy ireo mpitsoa-ponenana sasantsasany tsy afa-manoatra.

Nora Younis
Tsy azo ialàna sy tsy azo fintinina eto ny kaonty mahavarianan'i Nora miaraka amin'ireo sary. Tsy maintsy mamaky azy tanteraka ianao (Fanamarihana: Tapaka tanteraka ny rohy mankany ami'ny lahatsotra navoakany).
Managona ireo tapatapaka gazety be dia be  mitantara io fotoana io i Nora.  Ary tatitra marobe avy amin'ireo vavolombelona maro nanatri-maso.

Aharihary ireo laingan'ny haino aman-jerin'ny Fanjakana Ejiptiana
Mampatsiahy antsika i Mohamed fa miezaka mandrakotra sy manafina ireo zava-marina ny gazetim-panjakana isaky ny mampiasa hery mahery vaika sy amin'ny tsy rariny ireo mpitandro filaminana.
Nefa valian'i Ta3zeeb tsirairay ireo lainga rehetra aparitaky ny haino aman-jery sy ny gazety ireo.

Tsy hiala tsiny amin'ilay zava-nitranga ny Praiministra Ejiptiana fa ireo mpitandro filaminana naratra ihany no novangiany. Na nisaotra an'i Ejipta noho ny faharetany nandritra izay ela izay  aza ny governemanta Sodaney.

Ireo Sary
Namoaka angon-tsary tahiry marobe avy amin'ny haino aman-jery sy loharano hafa ny Egyptian Conscience. Indreto ary ireo sary vitsivitsy an'i Elijah sy Youssef.talohan'ny vonoan'olona .

Ireo fanontaniana
Fanontanian'i R : iza no mavesa-danja kokoa ny sarin'i Ejipta sa ny ain'ireo Sodaney mpitsoa-ponenana ? Fanontaniana napetrany taorian'ny fihizingizinan'ireo solombavambahoaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo hanontany ny governemanta momba ny hetsika nataony izay nanimba ny sarin'i Ejipta eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Hatezerana

Hetsika roa fanehoana hery no nokarakaraina teo amin'ny toerana izay nisehoan'ilay vonoan'olona tamin'ny 31 Desambra 2005. Nikarakara hetsipanoherana omaly ireo vondron'ny mpitoraka bilaogy. Tian-dry zareo ny hijoro  isaky ny alakamisy hanohitra ilay hetsika.

Nitaky fanadihadiana mahaleo tena  ny haino aman-jery tsy miankina, ny mpiaro  zon'olombelona, ny mpanohitra  ary ny vondrona iraisam-pirenena. Isan'izany ireo teratany Sodaney any Washington D.C

Fiononana
Nahamenatra ahy ny nilaza izany, fa amin'ireo fanehoankevitra amin'ny bilaogy sasany sy ireo mpitoraka bilaogy vitsivitsy dia nilaza fa faly ry zareo hoe voaisotra tamin'ny toeram-ponenana iray malaza tahaka izany ireo mpitsoa-ponenana. Fa na izany aza, tsy nankasitraka ny famonoana ry zareo.

Kabinetra vaovao
Taterin'i Elijah ny momba ilay zava-nahatsiravina niseho sy ny fanavaozana ny kabinetra farany teo.

TortureInEgypt.net
Bilaogy vaovao iray (voasivana)  izay nanara-maso sy nitatitra ireny tranganà famonoana tany Ejipta ireny .  Nandrakotra lalina ny famonoana ireo mpitsoa-ponenana izy ity. Tamin'ny teny Arabo ilay bilaogy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.