Ny Hopitalin'i Bagram Ao Egypta

(Marihina fa tamin'ny 16 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanamarika ity lahatsoratra manaraka ity ho “resaka fitaomam-panahy” i Jessyz ao amin'ny bilaoginy Chocolate Mints in a Jar (“Boati-tsôkôla misy solila anaty siny”) , bilaogy iray amin'ny teny Anglisy:

Al Ahram a publié cet article aujourd'hui, sur l'hôpital égyptien à Bagram, en Afghanistan. C'est un petit hôpital militaire à Bagram, qui soigne gratuitement des patients afghans, fournissant des prothèses et effectuant des opérations ophtalmologiques. Dirigé par Ahmed Ashry, l'hôpital s'est développé, partant de 100 consultations par jour jusqu'à recevoir et traiter quiconque se présente. C'est un magnifique exemple de ce que peuvent réellement faire les Egyptiens.

Namoaka ity lahatsoratra ity androany i Al Ahram, momba ny hopitaly egyptiana ao Bagram, Afganistana. Hopitaly miaramila kely ao Bagram izy io, izay mitsabo maimaim-poana ireo Afgana marary, ary manome taova na solon'ny rantsam-batana sy manao fandidiana maso. Niroborobo ny hopitaly raha notarihan'i Ahmed Ashry, izay nanomboka tamin'ny fizaham-pasalamana miisa 100 isan'andro ka hatramin'ny fandraisana sy fitsaboana izay rehetra tonga tao an-toerana. Ohatra namirapiratra indrindra nataon'ny Egyptiana izany.

Tezitra tamin'ny fomba nilazan'ireo fampahalalam-baovao Egyptiana momba ity vaovao sarobidy ity i Jessyz :

L'article a été initialement écrit par le caporal-chef d'aviation George Cloutier pour le Service de presse des Forces américaines début octobre. Pourquoi a-t-il fallu à nos médias plus d'un mois pour rapporter quelque chose d'aussi spécial et stimulant ? Et pourquoi notre armée n'en fait-elle pas autant en Egypte ? Avec tout le respect dù aux Afghans, les patients égyptiens ont besoin de tout autant d'aide et la méritent du gouvernement auquel ils paient aussi leurs impôts.

Ny Kaporaly Mpiandraikitra ny Sidina An'habakabaka George Cloutier no nanoratra voalohany ny lahatsoratra ho an'ny Sampan-draharahan'ny Gazety ho an'ny Tafika Amerikana tamin'ny fiandohan'ny volana Oktobra. Nahoana no iray volana mahery vao nitatitra izany zavatra tena manokana sy manome aingam-panahy izany ny fampitam-baovao ? Ary nahoana  no tsy manao toy izany ihany koa ny miaramilantsika eto Egypta? Amim-panajana tanteraka ireo Afgana,  mila fanampiana maro sy mendrika izany avy amin'ny governemanta izay handoavan'izy ireo hetra ihany koa ireo marary Egyptiana .

Nofeheziny hoe:

J'aimerais que nous puissions voir plus d'hôpitaux comme celui-ci, et plus de gens qui soient prêts, comme ce colonel, à faire des efforts supplémentaires pour ceux qui en ont besoin.

Manantena aho fa hahita hopitaly betsaka kokoa tahaka ity iray ity isika, sy olona maro vonona, tahaka ity kolonely ity mba hanao ezaka bebe kokoa ho an'ireo izay mila izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.