Iran : Naiditra Am-ponja Ny Dokotera Manampahaizana Roa Manokana Momba Ny Sida

(Marihina fa tamin'ny 7 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanambara ny fisamborana tany Teheran ireo dokotera mpirahalahy Arash sy Kamyar Alaei, izay manampahaizana manokana momba ny SIDA / VIH nanomboka tamin'ny volana jona 2008 ny Global Voices.

Indrisy fa mbola any am-ponja ireo mpitsabo mpirahalahy ireo ary tsy manana mpisolovava. Voampanga ho nikasa hanongana ny governemanta Iraniana izy ireo.

Nikarakara fihetsiketsehana hofamotsorana ireo mpirahalahy ireo nandritra ny fitsidihan'i Mahmoud Ahmadinejad tany amin'ny Fihaonambe nataon'ny Firenena Mikambana tany New York tamin'ny herinandro lasa ny Fikambanana Physicians for Human Rights (PHR) (Dokotera Manampahaizana ho an'ny Zon'olombelona).

Nanambara i Susannah Sirkin, talen'ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin'ny PHR, nandritra ity fivoriana ity hoe:

Aujourd'hui, nos collègues, les docteurs Kamiar et Arash Alaei, se trouvent dans une cellule de prison à Téhéran. Ces jeunes médecins ont aidé à mettre sur pied des dispensaires pour les toxicomanes et les prostitué(e)s et ont beaucoup fait pour apporter une démarche éclairée de santé publique dans l'approche de la prévention et du traitement du VIH/SIDA, pour ces groupes à risques très stigmatisés dans la province du Kermanshah, où ils vivent. Ils ont conseillé le ministère de la santé iranien, permis à celui-ci de récolter des fonds pour des programmes spécifiques, formé des praticiens en Iran et dans les pays voisins – des régions avec le plus fort taux de toxicomanie par injections intraveineuses au monde.

Ao amin'ny fonjan'i Tehran ny mpiara-miasa aminay Dr. Kamiar sy Dr. Arash Alaei androany.  Nanampy tamin'ny fananganana tobim-pitsaboana ho an'ireo mpidoroka zava-mahadomelina sy ny mpivaro-tena ireo dokotera tanora ireo ary nampandroso sy nanohana ny fahasalamam-bahoaka tamin'ny fisorohana sy ny fitsaboana ny aretina VIH / SIDA ho an'ireo vondron’ olona marefo sy ratsy laza ireo any amin'ny faritanin'i Kermanshah, izay fonenan'izy ireo. Nanoro hevitra ny Minisiteran'ny Fahasalamana Iraniana izy ireo, ka nahafahan'ity farany nanangona vola ho an'ny fandaharan'asa manokana, sy nanofana mpitsabo  tany Iran sy any amin'ireo firenena manodidina izay faritra tena manana ny tahan'ny fidorohana zava-mahadomelina avo indrindra amin'ny alàlan'ny tsindrona eto amin'izao tontolo izao.

Hoy ilay bilaogera Iraniana Ahvaz raha nanoratra hoe: “Izy mirahalahy ireo no lohalaharana tamin'ny fanentanana ny ady amin'ny SIDA tao amin'ity faritra ity.” Hoy koa izy: “Miangavy anao mba hijery ity lahatsary nataon'i Dr. Kamyar Alaei ity mba hamantaranao ny zavatra nataon'izy ireo ho an'i Iran.” Nanazava ny antony nanosika azy hifantoka tamin'ny ady atao amin'ny SIDA i Kamyar Alaei ato amin'ity lahatsary ity.

Nanoratra i An Iranian in Exile fa tsy nanohintohina ny governemanta Iraniana izy mirahalahy ireo ary niara-niasa tamin'ireo mpitondra fanjakana ambony sy ireo mpitondra fivavahana teo aloha.

Nanangana vondrona mpanohana tao amin'ny Facebooki Trout, Amerikanina naman'i Alaie mirahalahy, izay efa manana mpikambana miisa 600 hatramin'izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.