Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Novambra, 2016
Manomboka Mandrava Ny Tora-pasika An-tanandehibe Sisa Tavela i Beirota
Taitra ireo mponina ao Beirota tamin'ny asabotsy rehefa nanomboka nivezivezy tao amin'ny media sosialy ny sary mampiseho ny morondranomasina ho an'ny daholobe ao -tanàndehibe sisa farany , Ramlet El Bayda potehin'ny fitaovam-panorenana goavana.
Manempotra An'i Tehran Indray ny Setroka
Ao anatin'ny setroka ny renivohitr'i Iran, nahazo tsiny avy amin'ireo mpitrifana ny fitondrana.
Mamoaka Ny Miafina Amin'ny Sivana Amin'ny Media Sosialy — Amin'ny Teny Arabo, Espaniola Ary Anglisy
Amin'ny fisian'ny teny hafa ankoatra ny Anglisy ao amin'ny tranonkala onlinecensorship.org, manantena ireo mpanorina ny tranonkala fa hampitombo ny "fahasamihafàna" ao amin'ny lahatahiry avy amin'ny vahoaka (crowdsourced data).
Keywan Karimi ao Iran: Mpamokatra Sarimihetsika Sady Artista Graffiti
Miasa ambanin'ny fandrahonana hampidirana azy am-ponja noho ny fanatontosana ny sangan'asany , nanova ny toe-javatra sarotra ao amin'ny fanatsaran'endrika (estetika) ilay Iraniana mpanatontosa sarimihetsika Keywan Karimi.
Mpitarika Antoko Mpomba ny Kiorda Nosamborina Tao Tiorkia, Ao Anatin'ny Fanenjanana Ny Famoretana
Tafiditra amin'ny fanadihadiana hanoherana ny asa fampihorohoroana ny fisamborana an'i Selahattin Demirtas sy Figen Yuksekdag, hoy ny tatitry ny media.
Matory na Maty – Ampahany 1: “Toa Mihiaka Fahafatesana ny Zavatra Rehetra”
"Nandalo ny vatako ny herinaratra. Herinaratra ampy hamatsiana ny mpiray vodirindrina amiko manontolo no nandalo ny vatako. Ny vatako nitafy tapaka nitsirara eo amin'ny gorodona dia tena mpampita herinaratra tsara mihitsy."
Manohy Misambotra Ireo Mpanao Politika Kiorda i Tiorka, Ary Mametra Ny Fampiasana Aterineto
"Ny zavatra vita androany hariva dia tsy fanonganam-panjakana ihany fa hetsika hampisaraka ny firenena ihany koa!"
Matory na Maty – Fizaràna faha-2: “Ny Palitao Mangan'i Aghyad”
"Nosintoniny ny rojo mandra-pihantonay tamin'ny tananay, zara raha mikasika ny tany ny rantsan-tongotra. Mihevaheva eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ianareo, aseho toa sorona ho alatsa-drà."
‘Tsia’ Ho An'ny Lalàna Hijab Ao Iràna Hoy Ilay Indiana Mpitifitra, Heena Sidhu, ary Mitambatra Aoriany Ireo Tambajotra Sosialy
"Niala tsy hiady ny Tompondakan'ny Poleta Rivotra Aziatika ao Iràna noho ny lalàna tsy maintsy arahina mikasika ny hijab i Heena Sidhu. Lalàna adaladala. Ary, hetsika feno herim-po''
Ho an'ireo Iraniana Sasany Manaraka Ny Fifidianana Amerikana, Toa Tahaka Ny “House of Cards” Tokoa ny Demaokrasia
Ho an'ireo Iraniana sasany, voamaloky ny fandrendraham-bahoaka ny fididianana filoham-pirenena Amerikana 2016, toe-javatra efa niainan'izy ireo teo amin'ny tontolo ara-politikan'izy ireo manokana nandritra ny tolona hisian'ny demaokrasia.