Mamoaka Ny Miafina Amin'ny Sivana Amin'ny Media Sosialy — Amin'ny Teny Arabo, Espaniola Ary Anglisy

Images from OnlineCensorship.org's "Weekly Takedown."

Sary avy amin'ny OnlineCensorship.org's “Weekly Takedown.”

Hatramin'ny nandràran'ny Facebook sary nonom-behivavy (raha ahitana lohanono) hatramin'ny fandraràna votoaty mahery setra “manafintohina” ao amin'ny YouTube, mandray anjara goavana amin'ny fanapahana izay karazana lahateny be mpijery sy be mpandre indrindra ireo orinasan'ny media sosialy.

Manana ny fepetra fampiasana azy ireo sehatra ireo sy ny sehatra malaza hafa izay mametra karazana votoaty maromaro ahitana fitanjahana, fankahalàna sy herisetra. Saingy matetika iharan'ny fandraisana azy hafa ireo fitsipika saro-paritana ireo.

Misy ny fanitsakitsahana marobe amin'ny fahalalahana miteny noho ny fametrahana ireo fepetra fampiasàna tafahoatra avy amin'ny sehatra media sosialy. Tamin'ny herintaona, nampiato tamim-pahadisoana ny kaontin'ilay mpikatroka sy mpisera Iyad el-Baghdadi ny Twitter rehefa niahiahy ireo mpandrindra ny tranonkala fa lehiben'ny ISIS, Abubaker el-Baghdadi no tompon'ny kaonty. Amin'ny ohatra iray hafa tao amin'ny faritra Arabo, tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nanaisotra sary avy amin'i Karim Kammoun, Toniziana mpaka sary, ny Facebook. Mampiseho mangamangana tamin'ny vatana miboridan'ny vehivavy iray niharan'ny herisetra an-tokantrano ny sary.

Nanaisotra ireo lahatsoratry ny mpiserasera iray ihany koa ny tranonkala media sosialy ho setrin'ny fangatahan'ny fanjakana. Mangataka amin'ireo sehatra ny fitondram-panjakana indraindray mba hanaisotra votoaty noho ny tanjona mazava sy ara-dalàna amin'ny fiarovana ny ankizy amin'ny fanararaotana firaisana ara-nofo na manohitra ny fampielezan-kevitra mahery fihetsika sy mahery setra. Saingy fantatra amin'ny fanararaotana ireo politika ireo ihany koa izy ireo mba hanery ireo tranonkala tambajotra sosialy hanaisotra votoaty izay hita fa voaaron'ny fifanarahana momba ny zon'olombelona tahaka ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba Zo sivily sy politika (ICCPR).

Article 19 of the International Covenant on Civil and Political Rights

1. Everyone shall have the right to hold opinions without interference.

2. Everyone shall have the right to freedom of expression; this right shall include freedom to seek, receive and impart information and ideas of all kinds, regardless of frontiers, either orally, in writing or in print, in the form of art, or through any other media of his choice.

3. The exercise of the rights provided for in paragraph 2 of this article carries with it special duties and responsibilities. It may therefore be subject to certain restrictions, but these shall only be such as are provided by law and are necessary:

(a) For respect of the rights or reputations of others;

(b) For the protection of national security or of public order (ordre public), or of public health or morals.

Andininy faha-19 amin'ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Zo Sivily sy Ara-politika

1. Manan-jo hanan-kevitra tsy tsabahana ny tsirairay.
2. Manan-jo amin'ny fahalalaham-pitenenana ny tsirairay; izany zo izany dia ahitana fahalalahana hikaroka, mahazo sy mizara vaovao sy hevitra amin'ny karazany rehetra, tsy hijerena sisintany, na am-bava, na an-tsoratra na amin'ny pirinty, na amin'ny alalan'ny media hafa nosafidiany.
3. Ny fampiasana ireo zo voalaza ao amin'ny andalana faha-2 amin'ity lahatsoratra ity dia ahitana adidy sy andraikitra manokana. Ka mety hiharan'ny famerana sasany izany, saingy tokony araka ny voalazan'ny lalàna ihany sy tsy maintsy natao:
(a) Ho fanajana ny zo na ny lazan'ny hafa;
(b) Ho fiarovana ny fiarovam-pirenena, na ny filaminam-bahoaka, na ny fahasalamam-bahoaka sy ny fitondran-tena.

Ny governemanta Tiorka no mijanona ho mpanararaotra indrindra ireo lalàna ireo, satria loha-lisitra amin'ny fitondram-panjakana nanao fangatahana fanesorana votoaty tamin'ny Twitter izy nandritra ny enim-bolana voalohan'ny taona 2016 ary nahitàna fangatahana miisa 2493. Ankoatra izany, nandritra ny tapany faharoa tamin'ny taona 2015, nametra ny fidirana tamin'ireo votoaty miisa 2078 ny Facebook ho setrin'ny fangatahana nataon'ny manam-pahefana Tiorka teo ambanin'ny lalàna laharana 5651 izay mandràra ny fanitsakitsahana ny zo manokana sy ny fanalam-baraka ny mpanorina ny Repoblika Tiorka, Mustafa Kemal Atatürk.

Araka ny filazan'ireo mpikatroka Tiorka, manararaotra ireo lalàna ireo ihany koa ny fitondrana mba hanakana ny olom-pirenena tsy hitsikera ny manam-pahefana, na mampiely votoaty mifandray amin'ny resaka Kiorda, ary mandràra ny fandrakofana fisehoan-javatra ara-politika izay mahaliana ny vahoaka mihitsy aza. Ohatra, tamin'ny volana Martsa 2014, nametra ny fidirana amin'ny kaontin'ny mpiserasera @oyyokhirsiza ao Torkia ny Twitter, noho ny famoahana sioka miampanga ny manampahefam-panjakana teo aloha tamin'ny kolikoly, fandraràna teo ambanin'ny politikany momba ny votoaty mifandray amin'ny firenena,

Vao tamin'ny volana lasa, nandràra pejy sy kaonty marobe an'ireo mpanao gazety sy tranonkalam-baovao Palestiniana ny Facebook. Nilatsaka herinandro vitsivitsy monja izany taorian'ny fanambaran'ny governemanta Israeliana ny fifanarahana miaraka amin'ny orinasa mba hanaisotra izay sokajiany fa votoaty “fandrisihana”. Na dia niala tsiny aza ny Facebook tatỳ aoriana noho ireo fihetsika ireo, mbola tsy resy lahatra amin'ny andraikitry ny Facebook amin'ny mangarahara sy ny tsy fitanilàna ireo mpikatroka ao Palestina sy ny faritra raha ny fametrahana ny lalànan'ny fanesorana votoaty no resahana.

Saro-takarina avy amin'ny fomba fijerin'ny mpiserasera media sosialy ity fanakambanana politika sy tombotsoam-bahoaka sy tombotsoa-manokana ity – mamoaka vaovao sasany mikasika izay sivanin'izy ireo sy ny tsy sivanin'izy ireo ny orinasa, saingy marobe tamin'izany no tsy hita imasom-bahoaka.

Ny Onlinecensorship.org, tetikasa iarahan'ny Electronic Frontier Foundation sy ny Visualizing Impact (sady naman'ny Global Voices) dia miasa mba hanova izany amin'ny alalan'ny tatitra crowd-sourcing (fanangonam-baovao avy amin'ny vahoaka) nalefan'ny mpiserasera nanana votoaty nesorina na kaonty naato tao amin'ny YouTube, Facebook, Twitter, Flickr , Google+ sy Instagram.

Afaka mandefa tatitra ireo mpiserasera raha manaisotra ny lahatsoratr'izy ireo ny sehatra media sosialy na mampiato ny kaontin'izy ireo amin'ny alalan'ny fitaovam-pitateram-baovao onlinecensorship.org. Manazava ny fomba ahafahan'ny mpiserasera miantso ny Facebook, Twitter, Youtube, Instagram, Flickr, ary Google+ mikasika ny fanesorana ny lahatsoratr'izy ireo na ny fampiatoana ny kaontin'izy ireo ihany koa ny tranonkala.

onlinecensorship.org

Pikantsarin'ny momba ny pejy onlinecensorship.org.

Vao tamin'ny volana lasa, nanangan'ny vondrona dikan-teny Arabo tamin'ny tranonkalan'izy ireo onlinecenorship.org. Nanazava i Jillian ao amin'ny EFF izay iray amin'ireo mpiara-manorina ny tranonkala (sy mpikambana ao amin'ny filan-kevi-pitantanan'ny Global Voices) fa nanafaingana ny fametrahana dikan-teny Arabo ao amin'ny tranonkala ireo andiana fandraràna votoaty tao Palestina.

Ho an'ny Onlinecensorship.org, Facebook no sehatra matetika voatonontonona indrindra. Raha avy any Etazonia, avy eo Kanada ny ankamaroan'ny tatitra, nanantena i York fa “hampitombo ny fahasamihafana eo amin'ny lahatahiry” izy ireo, sy “hampitaha ny atao hoe sivana media sosialy eo amin'ny firenena na faritra manerana izao tontolo izao” ny fanaovana ny tranonkala ho hita amin'ny fiteny hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.