Mpitarika Antoko Mpomba ny Kiorda Nosamborina Tao Tiorkia, Ao Anatin'ny Fanenjanana Ny Famoretana

HDP co-chairs Selahattin Demirtas and Figen Yuksekdag. YouTube screenshot.

Selahattin Demirtas sy Figen Yuksekdag, mpiara-mitantana ny HDP. Creative commons.

Ao anaty fampandrosoana miha-matroka hatrany ho an'ireo foko vitsy an'isa sahirana ary ny fanasongadinana ny olana politika tsy mitsahatra ny mihalalina hatrany ao amin'ny firenena, no nosamborina ireo mpiara-mitarika ny HDP (antoko demaokratikam-bahoaka) mpanohitra ao Tiorkia, ireo tena fantatra amn'ny fiarovana ny zon'ny foko Kiorda, hoy ny tatitry ny media.

i Selahattin Demirtas sy Figen Yuksekdag araka ny tatitr'ireo masoivohom-baovao Tiorka, ny Reuters ary ny BBC, dia  voasambotra tamin'ny 3 Oktobra niaraka tamin'ireo olona 9 hafa mpikambana ao amin'ny antoko, mifandray amin'ny resaka fanadihadiana momba ny asa fampihorohoroana. Dermitas, izay toy ireo politisiana hafa mpanohitra, dia tsy nankasitraka ilay fanonganam-panjakana nandatsahan-drà nitranga tao Tiorkia tamin'ny Jolay, ary tsy reraka ny nanakiana ny politikan'ny filoha Recep Tayiip Erdogan manoloana ireo Kiorda, isan'izany ny voarakitra tamin'ny tafatafa navoaka tamin'ny andro nisamborana azy.

‘Handoa Ny Sandany Ara-Politika Noho Ny Famonoana ireo Kiorda, Alawoitaes & Elatra Havia”  ry Erdogan sy ny AKP

Na ho an'ny governemanta Tiorka aza, izay ny AKP (antokon'ny rariny sy ny fampandrosoana) aza no maro an'isa ao anatiny, mitera-doza ilay fihetsika satria nahazo ny lazany sy ny toerany amin'ny maha-politisiana mijoro amin'ny fotokeviny sy mpitolona azy ry  Dermitas sy Yuskedag, na izany teny anivon'ireo Tiorka mpomba ny havia, na ireo governemanta vahiny sy iraisampirenena.

#VAOVAO MAFANA  Mampiantso ny iraka Tiorka i Alemaina momba ireo fisamborana Parlemanta Kiorda

Hiditra anatin'ny tantara ho iray amin'ireo politisiana goavana indrindra mpiahy ny maha-olona i Selahattin Dermita. Izy no mahatonga ahy ho velom-paniriana hatrany ho lasa politisiana.

Halaza eny anivon'ireo Tiorka nasionalista anefa ireo fisamborana ireo, izy ireo izay mampiray ny HDP amin'ireo Kiorda mpitolona mpomba ireo mpitaky fizakantena, izay naverin'ny governemanta indray tamin'ny fahavaratra lasa teo ny filam-baniny natao azy ireo.

Angesongeson'i Dermitas.  Tsy ilaina lazaina ny fifamatoram-pihavanany amin'ny PKK, na ny zavamisy hoe miasa ho toy ny mpitondra tenin'izy ireo izy

Ny Jona 2015 ny HDP no nipongatra voalohany tao amin'ny parlemanta, tao anatin'ny voalohany tamin'ireo fifidianana solombavambahoaka natao tao Tiorkia tamin'io taona io, noho ny fanohanana lehibe avy amin'ny vondrom-piarahamonina Tiorka sy ireo tanora an-tanandehibe mpifidy manohana ny hetsika Gezi Park, izay noravàna tamin'ny fampiasàna ny politikan'ny tàna-mahery, taona roa tany aloha.

Kanefa, rehefa natao indray ny fifidianana taorian'ny tsy nahavitàna nanangana governemanta iaraha-mitantana, tafasisika ihany ho ao anatin'ny mpanao lalàna ny HDP tamin'ny nandinganany ny 10% -n'ny vato taorian'ny fampielezankevitra feno fampitahorana sy fandemena nataon'ny AKP.

Tamin'ny May ny parlemanata Tiorka dia nifidy lalàna hanesorana ny zo tsy azo ho enjehina ananan'ireo mpanao lalàna, izay nolazain'ireo mpanakiana fa natao manokana hikendrena ny HDP.

Nahilika ilay antoko mba tsy hahazo mandray anjara tamin'ny fampisehoana iray natao ho fampiraisam-pirenana,  faran'izay voalokon'ny politika, nokarakarain'ny governemanta ary nahitàna ireo antoko politika hafa rehetra ao amin'ny parlemanta taorian'ny nitrangan'ilay andrana fanonganam-panjakana.

Ampangain'ny govenremanta ho tompon'antoka tamin'ilay fanonganam-panjakana ilay mpitari-pivavahana mialokaloka any Etazonia, Fethullah Gulen, loha mpitarika ny hetsika sosialy sy ara-pinoana manerantany Hizmet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.