· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2018

Filipina: Kalo Mena

  17 Oktobra 2018

Tsikerain'i i caffeine_sparks ny ''famelomana indray'' ny Kaominisma nataon'ny fanjakana Filipiana ho toy ny raho-mitatao amin'ny fitoniana nasionaly

Voadarodaroka ny fahalalahan-gazety ao Filipina

  16 Oktobra 2018

Hatramin'ny nirodanan'ny didy jadona Marcos tamin'ny taona 1986, nosokajiana toy ny amin'ireo malalaka indrindra manerantany ny gazety Filipiana. Saingy tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, nahatsikaritra fanafihana miely patrana amin'ny fampahalalam-baovao Filipiana ireo vondrona samihafa.

Ny dihy Khmer

  15 Oktobra 2018

Lahatsary iray mampiseho ny vondrona mpandihy Kambodziana manao ny dihy tsodrano tamin'ny fanokafana ny Fetiben'ny Rano tao Lowell, iray amin'ireo fety lehibe indrindra avy any Azia Atsimo-Atsinanana natao tany Etazonia, ary nokarakarain'ny vondrom-piarahamonina Kambodziana, Lao, Vietnamiana ary Thailandey niaraka.

Manampy amin'ny fiarovana ny teny Bali ao Indonezia ity wiki ity

Rising Voices  15 Oktobra 2018

Manome rakibolana, tranom-boky miaraka amin'ny loharanom-baovao momba ny kolontsaina Balinezy, lalaon-teny, fitaovana fandikan-teny, ary endrika amin'ny teny Balinezy ao amin'ny pejy fandraisan'ny Google ny wiki. Azo ampiasaina amin'ny fampiharana Android ihany koa ny wiki.

Matsiro sy marikivy

  13 Oktobra 2018

Raha efa nahatratra ny androm-piainanao ny anjara bitro sy atody sôkôlà mahafatifaty, dia ho tianao ity hevitra ity: Paska 2006 - Endrika MeatHenge. Tsy aloha loatra raha manomboka manomana ny taona manaraka, sa tsy izany?

Kambodja: Fahatsiarovana Ny Fanafahana Sa Ny Fananiham-bohitra?

  12 Oktobra 2018

Ny 7 janoary 1979, nesorina teo amin'ny fahefana ny fitondran'ny Khmer Rouge tao Kambodja. Voampanga ho nikotrika ny fandripahana Kambodjiana marobe maherin'ny iray tapitrisa ny fitondrana kaominista. Tamin'ny faran'ny herinandro, nanamarika ny tsingerintaona faha-30 taonan'ny fianjeran'ny Khmers Rouges ny governemanta Kambodjiana (amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra). Saingy nizarazara ny hevitra mba hahalala raha toa io andro io tsy maintsy ho marihana ho toy ny fanafahana na ny an'ny fananiham-bohitra, satria i Vietnam, izay nanampy tamin'ny fanonganana ireo Khmers Rouges, dia nibodo an'i Kambodja hatramin'ny taona 1988.

Shina: Inona No Niafaràn'ireo Niharamboina Vokatry Ny Horohorontany Tao Sichuan?

  11 Oktobra 2018

Iharan'ny ririnina mamirifiry ankehitriny ireo niharam-boina vokatry ny horohorontany tamin'ny 12 may 2008 tao Sichuan. Manam-pahefana iray eo an-toerana no milaza fa mety hahatratra -21°C ny maripàna farany ambany ao amin'ilay faritra tratry ny horohorontany. Ankehitriny , ny fanampiana an'ireo traboina hamakivaky ny ririnina henjana no mijanona ho asa iray maika sady sarotra.