Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2013
30 Mey 2013
Vary Feno Cadmium Hita Ao Shina
Vary voapoizin'ny metaly mavesatra cadmium, antsoina amin'ny anaram-bositra hoe “vary cadmium” indray no fanafintohinana farany any Shina, miteraka fikoropahana sy fahatezerana eo amin'ny mpanjifa ao amin'ny firenena. Ny sampan-draharaha misahana ny sakafo sy ny fanafody Guangzhou [zh] no nanambara tamin'ny 16 Mey fa ny valo amin'ny santionam-bary 18 notsirihana tamin'ny...
29 Mey 2013
Tranonkala Sosialy Shinoa Miaro Ny Filoha Lefitra Amerikana Amin'ireo Fanehoan-kevitra Mikasika An'i Shina
Niatrika tsikera mamaivay avy amin'ny mpianatra iraisam-pirenena Shinoa ny Filoha Lefitry ny Firenena Amerikana Joe Biden taorian'ny niantsoany an'i Shina ho firenena tsy afaka "mieritreritra zavatra hafa" na "mifoka rivotra malalaka" nandritra ny kabariny fanokafana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania.. Saingy namaly bontana ireo Shinoa mpisehatra amin'ny Aterineto, nitsikera ireo mpianatra...
22 Mey 2013
Mandrara Ny Lohahevitra ‘Tsy-Lazaina Fito’ Ny Governemanta Shinoa
Nisy mpampianatra anjerimanontolo shinoa iray namoaka vao tsy ela tao amin'ny bilaogy bitika shinoa malaza mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo fa nandidy tsy hampianaran'ny mpampianatra anjerimanontolo lohahevitra fito ny fitondrana, ka tafiditra ao anatin'ireo tsy azo ampianarina ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana nataon'ny antoko komonista taloha ary ny...
21 Mey 2013
20 Mey 2013
Mety Hitondra Fiovana Ve Ny Fifidianana Solombavambahoaka Ao Malezia?
Noravàn' i Praiministra Najib Razak ny parlemanta Malezianina tamin'ny 3 Aprily 2013 mba hanomanana ny fifidianana solombavambahoaka faha 13 eo amin'ny firenena. Mety mbola hanjaka hatrany amin'ny fifidianana ve ny mpitondra nandritry ny antsasaky ny taonjato lasa? Sa ve hisafidy ny fiovana ny vahoaka?
Brunei: ‘Efa Manakaiky Ny Fanivànana Ny Aterineto Mihisatra’
Mitaraina noho ny fidirana aterineto meda sady tsy azo antoka any amin'ny fireneny ireo mpampiasa aterineto ao Brunei. I Brunei dia iray amin'ireo manana fidirana aterineto lafo sanda indrindra any Azia Atsimo-Atsinana nefa maro amin'ireo mpampiasa aterineto ao Brunei no mahatsapa fa ratsy ny tolotra aterineto azon'izy ireo raha toa...
19 Mey 2013
Mahalasa Adala An'i Sina Ny Volamena Mora Vidy
Nolanian'ireo mpizahatany avy any Shina, voasariky ny vidin'ny volamena izay nitontongana, ny volamena tany amin'ireo banky sy fivarotana firavaka any Hong Kong nandritra ny faran'ny herinandro natao ho an'ny metaly lafovidy.
Nihodinan'ny Vohikala Sosialy Shinoa Ny Sivana Mba Hanomezam-boninahitra Ilay Mpitondra Fiovàna Hu Yaobang
Nihodinan'ireo Shinoa mpampiasa aterineto ny sivana aterineto hentitra any amin'ny fireneny mba hanomezam-boninahitra an'ilay mpitarika antoko kaominista taloha sady mpitondra fiovàna fanta-daza, Hu Yaobang, izay nitarika ireo fihetsiketshehana tany amin'ny Kianjan'i Tiananmen ny fahafahatesany 24 taona lasa izay.
Myanmar: Nandresy An'i Lady Gaga i Suu Kyi Tamin'ny Fitsapan-kevitry Ny Gazetiboky ‘Time Magazine’
Voafidy ho olona tòteny indrindra tanatin'ny roapolo taona ho an'ny Time Magazine i Aung San Suu Kyi ny 17 Aprily 2013. Nandresy an'i Lady Gaga tamin'ny salan'isa 61 isanjato amin'ireo latsabato rehetra izy. Taorian'ny fandreseny rehefa nifarana ny latsa-bato, vahoaka maro no nizara ny hafaliany sy ny fankafizany tao amin'ny...
16 Mey 2013
Kabarim-Panomezan-Diplaoma Nataon'i Obama Niteraka Adi-Hevitra Any Shina: Inona Ny Mahaolom-Pirenena?
Tamin'ny herinandro teo, nisy kabarin'ny filohan'i Etazonia Barack Obama momba ny lanjan'ny mahaolom-pirenena mandray andraikitra nanakoako tany amin'ny tambajotra sosialy shinoa.
LALANA IZANY