Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Septambra, 2019
Kambodza: Volavolan-dalàna iray mamono ny fahalalahan'ny Aterineto

Ireo mpanao Aterineto Kambodziana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona dia manameloka ny volavolan-dalàna iray hiadiana amin'ny heloka an-tserasera ahitàna ireo fepetra izay mety hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra.
Tatitry ny mpisera (Netizen Report) : Henjehin'i Shina amin'ny sivana mitsitapitapy ireo mpampiasa aterineto

Ao anatin'ity tatitra isankerinandro ity, resahana i Shina, ireo Iraniàna mpampiasa Facebook mety hizaka sazy mavesatra any am-ponja, i Google miverina amin'ny fanapahankeviny momba ilay politikan'ny maripamantarana ary sehatra maro isankarazany ao anaty fiarahamonina mitambatra any Tiorkia mba hanohitra ny sivana.
Mikarakara elefanta kamboty ao Myanmar
Tandindonin-doza noho ny fihazàna azy ireo elefanta dia ao Myanmar; mihazakazaka be ny famonoana azy ireo, iray isankerinandro.
Nahenan'i Kambodza ny isan'ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe mba hisarihana asa saingy mampanahy ny mpikatroka ho manimba ny demokrasia izany
"Maneho ny tsy fahavononan'ny governemanta hampiroborobo intsony ny demokrasia ny fanesorana ny Andro Fifanarahana ho amin'ny Fandriampahalemana tany Paris sy ny Andro ho an'ny Zon'olombelona amin'ny lisitry ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe ."
Ao amin'ny tanàna iray mitsingevana any Kambodza, manalavitra tsikelikely ny sekoly ny ankizy
"Tsy afaka manenjika ireo mpianatra hafa ny sasany amin'ireo ankizy ka manapa-kevitra ny hijanona ary handeha hiasa."
Randram-baovao Twitter malaza manasongadina ireo ohatra maritrano PoMo ampolony tamin'ny ’vanim-potoanan'ny tapoaka‘ tao Japan
Ahitana maritrano postmaoderina avokoa ny kihondalana rehetra manerana an'i Japan