Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Avrily, 2016
Miady Ny Mba Hikarakarana Ireo Teratany Kumamoto Miisa 100.000 Nafindra Vokatry Ny Horohorontany i Japana
Olona an'hetsiny no mbola manohy miaina ankalamanjana ao Japana taorian'ireo horohorontany, orambe nikija, tondradrano ary ireo fihotsahan'ny tany.
Hankahala Ny Fasika Mavo Ao Japana Ny Hoditrao
Fambara famantarana ny fiavian'ny lohataona ny vovoka mavo ao Azia Atsinanana. Mitondra fasika, vovoka, ary antsanga izay miteraka famaivain'ny hoditra izany
Fampiharana Vaovao Manampy Ireo Olom-pirenena Hamantatra Izay Fantatr'ireo Mpamatsy Aterineto Ao Hong Kong Momba Azy Ireo

Mamoaka taratasy iray ho an'ireo mpampiasa azy ho alefa amin'ireo mpanome tolotra aterineto sy ireo orinasam-pifandraisana amin'ny finday ny Access My Info mba hangatahany angon-drakitra mikasika azy ireo ihany.
Mpitendry Milina Fanoratana Nentim-paharazana Maharitra Hatramin'ny Taonjato Faha-21 Ao Myanmar
"Manosika anay ny [milina fanoratana] mba hahomby kokoa, mijery ny fahadisoanay ao amin'ny taratasy, ka mitandrina kokoa izahay mba tsy hanao fahadisoana.."
Indro ny Sarintany Mampiseho Izay Tena Sainin'ny Japoney Amin'i Eoropa
Araka ny fitsarana an-tendrony Japoney, izay ny firenena manana fonja mamirapiratra indrindra? Ary iza ny firenena ao Eoropa feno olona adala indrindra? Ary nahoana ny Letoniana no mihinana ovy?
Kerry Galhos, Ho “Serena Williams” Ao Timor-Atsinanana ?
Tanora mpilalao avy ao Timor-Atsinanana i Kerry Galhos, manana hoavy mahavelom-bolo eo amin'ny tontolon'ny lalao tennis. Nandao ny fireneny mba hanatanteraka ny nofinofiny ilay mpilalao, ny ho lasa mpilalao matianina.
Tsidiho Ny Ranty Virtoalin'ny Firavaka Noraofina Tany Amin'ny Fianakaviana Mpanao Didy Jadona Tao Filipina Teo Aloha
Ireo harena be loatra sy tafahoatra ireo no tsiahy azo tsapain-tanana amin'ny famitahana ratsy sy ny fandrobana ary ny jadona nandritra ny Lalàna Miaramila.
Netizen Report: Ilay Fotoana Nahafatesan'ny Aterineto Tao Ekoadaoro

Tapaka vetivety tsy amin'ny antony ny aterineto tao Ekoadaoro, vidina lafo ny fanevatevana ny filohan'i Tanzania, mampiahiahy ny fametrahana ny Twitter tao Shina, sy ny sisa maro hafa.
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Laharam-pahamehana, Misy Vonona?
Mitondra anao any Shina, Meksika, Jamaika, Makedonia sy Oganda izahay amin'ity herinandro ity, miresaka tamin'i Prudence Nyamishana izahay mikasika ny antony mahatonga ny Ogandey tezitra amin'ny laharam-pahamehan'ny governemanta.
Hanery Ny ‘Bilaogy Ara-Politika’ sy ny Tranonkalam-baovao Hisoratra Anarana Amin'ny Fanjakana i Malayzia

Niampanga ny tolo-dalàna ho famerana ny fahalalahana maneho hevitra ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpiaro ny fahalalahan'ny media, milaza fa mamadika ny fampanantenana teo aloha nambaran'ny governemanta fa hampiroborobo ny fahalalahan'ny aterineto ny zava-misy.