Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2020

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2020

Mpanao gazety Maleziana lasibatry ny tenim-pankahalana sy ny fanavakavaham-bolonkoditra tao amin'ny Facebook

"Zava-dehibe ny valinteny avy hatrany avy amin'ny Facebook sy ny sehatry ny tambajotra sosialy hafa amin'ny fisorohana ny fitsikerana an-tserasera, izay matetika ahitana fanosoram-potaka sy fanalam-baraka."

Shina: Tsy maintsy fanondranana tany tsy fahita firy sa tsia ?

Miaraka amin'ny fitomboan'ny fihetsehampo miaro tanindrazana, betsaka amin'ireo shinoa ao amin'ny tanibe no mankasitraka ny fameperana nataon'ny governemanta amin'ny fanondranana ireo tany tsy fahita firy

Milaza ny fikarohana fa azo nosorohana ny 95% n'ny tranga coronavirus tany Shina

Afaka nahena hatramin'ny 66 isanjato ny tranga coronavirus raha noraisina herinandro mialoha ireo fepetra, araka ny voalazan'ny fikarohana, na nihena hatramin'ny 86 isanjato raha natomboka tapa-bolana mialoha.

Milazalaza ny fihoaram-pefy any am-ponjan'i Vietnam ny renin'ny bilaogera migadra Le Anh Hung

Vao nitafatafa tamin'ny The 88 Project (Tetikasa 88) Rtoa Tran Thi Niem niresahany ny momba an'i Le Anh Hung, zananilahy bilaogera migadra, izay avezivezy any amin'ny toeram-pitsaboana marary saina hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2013.

Fahamaizan'ny oniversite politeknika ao Hong Kong taorian'ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy

Satria nanaovan'ny polisy amboletra ny toeram-ponenan'ny mpianatra taminà oniversite iray hafa ao Hong Kong, nandrehitra afo hataony sakana ireo mpanao hetsipanoherana.

Natsangan'i Japana ho velona indray i ‘Amabie’, zava-boary fahiny, hiady amin'ny COVID-19

"Efa nisy ve ny biby mampatahotra notiavina haingana dia haingana tao anatin'ny fotoana fohy monja?"

Voampanga ho mamoaka sary mamoafady ilay mpivarotra niakanjo ‘manaitaitra’ tao amin'ny Facebook tany Kambodza

"Anisan'ny antony fototra amin'ny herisetra ary tsy manafoana izany ka tokony holavina ny fanasaziana ny vehivavy amin'ny safidiny amin'ny fitafiany."

Faly ny vondrona media ao Filipina fa nilaza ny hiaro ny fahalalahan-gazety ny orinasan-teknolojia voampanga ho nanao fanafihana an-tserasera

"Fandresena kely izao ao amin'ny tolona ataonay ho amin'ny fahalalahan'ny gazety. Miantso ny orinasan-teknolojia rehetra izahay tsy hamela ny fotodrafitrasany ho ampiasain'ny fahavalon'ny fahamarinana."

Maherifon'ny tantara antsary Indoneziana iray miady ho amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiteny baliney

"Niainga avy amin'ireo vehivavin'i Bali izay matanjaka, mafy ary kiriana tahaka ireo maherifo hafa no nananganana ilay maherifo Luh Ayu Manik. "

Voatsikera noho ny “fitavozavozana” sy ny ‘fanohanana an'i Shina’ ireo tompon'andraikitry ny OMS raha miparitaka manerana izao tontolo izao ny COVID-19

Tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra (teny anglisy), saika efa ho olona antsasa-tapitrisa no nanasonia antserasera mitaky ny fialan'ny tale jeneralin'ny OMS