Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2020

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2020

Mpianatra nitarika hetsi-bahoaka anoherana ny jadona teo amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia ao Thailandy

Namoaka fitakiana teo ny mpanao fihetsiketsehana izay mifandraika amin'ny fanitsiana demaokratika sy ny fiarovana ny zon'olombelona ary nanome tapabolana ny governemanta hamaly.

Korea Atsimo, ampangaina ho mamerina manoratra tantara vaovao ho an'ny boky fampiasan'ny lisea

Rakotry ny kiana ny governemanta Koreàna Tatsimo noho ny fanomezany vàhana ireo boky fianarana manohana ny faharesendahatra pôlitikan-dry zareo izay manasa ireo tsy fetezanjavatra vitan-dry zareo tamin'ny lasa.

Very asa, tsy manan-tsafidy: Mpiasa mpifindramonina Myanmar tavela tao Thailandy nandritra ny COVID-19

"Hatramin'ny nikatonan'ny toeram-piasako, tsy manambola tavela intsony aho, tsy haiko hoe aiza aho no hahita asa. Miaina ao amin'ny tobim-panorenana miaraka amin'ny zanakolahy efa-taona aho.."

Tohizan'i Kambôdza ny fanakanana ny hetsika fanomezam-boninahitra an'i Kem Ley mpamakafaka politika novonoina

Efa-taona no lasa, mbola tsy raharahian'ny governemanta ny fitakiana amin'ny fananganana ny voamiera mahaleotena hanao fanadihadiana ny famonoana.

Mandray ny maripanan'i Hong Kong: Hanao ahoana ny hoavin'ny hetsika ao amin'ny fanoherana?

Hatramin'ny hetsika nahazoana olona roa tapitrisa tamin'ny herintaona ka hatramin'ny "faribolana ara-toekarena mavo" amin'izao fotoana, nandray endrika maro ny fifaharana isa-toerana.

Abaribarin'ny valanaretina COVID ny fitiavantenan'ny tafika amerikàna mitoby ao Okinawa

Nanomboka ny 11 Jolay, tsikaritra tany amin'ireo toby amerikana ao Okinawa ny fifindran'ny valanaretina COVID-19.

Nosamborin'ny manampahefana Vietnamiana ireo mpikatroka mandala ny zon'ny fananan-tany miisa efatra

Niteny nanohitra ny herisetra nataon'ny tafika ny mpikatroka sasany taorian'ny tranga tany Đồng Tâm tamin'ny volana Janoary ka nahatonga azy ireo ho lasibatra tamin'ny fisamboran'ny manampahefana.

Milaza ho manaja ny fahalalaham-pitenenana nefa mamotopototra mpanao gazety sy mpitsikera ny governemanta vaovaon'i Malezia

Nilaza ny vondrona sivily fa nampiasaina hanjakazakana amin'ny fahalalaham-pitenenana ny Lalànan'ny Serasera sy ny Haino Aman-jery Marolafy.

Fahatsapana hakiviana: Antsafa nifanaovana tamin'ilay mpitsoa-ponenana Uyghur any Torkia

Nanery ny tanora Uyghurs handao an'i Shina ary hijanona any an-tsesitany ny politikan'ny governemanta Shinoa amin'ny fanavakavahana ara-pirazanana sy ara-pinoana.

Mihaika ny lalàna vaovao nolaniana momba fiarovam-pirenena tamin'ny fihetsiketsehana tsy misy mpitarika ny Hongkongers

Namintina ny fihantsian'ny mpanao fihetsiketsehana ny afisy lehibe iray. "Tianay p..y i Hong Kong" hoy ny fivakiny.