Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2018
Mahatsiaro ireo ezaka nataon'i Kofi Annan tao Timor Atsinanana noadinoina
Timorey an-polony no nitondra labozia fiaretan-tory ho fahatsiarovana ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana Kofi Annan izay nodimandry 2 andro lasa izay ary ny fandraisany anjara tamin'ny fizotry ny Fahaleovantenan'i Timor Atsinanana nandritra ny fotoana niasany tao amin'ny Firenena Mikambana.
Indonezia: Namely an'i Indonezia ny horohorontany, re hatrany Singapaoro sy Bangkok
Horohorontany iray nahatratra 7.9 tamin'ny refy Richter no namely ny akaikin'ny Nosy Sumatra tany Indonezia. Nandefa fampitandremana ny mety hisian'ny tsunami ireo manampahefana ao Malezia, Indonezia ary Inde. Nibilaogy momba ireo horohorontany ren'izy ireo ny tany Azia Atsimo Atsinanana.
Miangatra mamely an'i Shina ve ny media tandrefana? (Fizarana faharoa)

Mitabataba i Shina fa miangatra aminy ny fampitam-baovao tandrefana. Nanao fitsapana izany filazan'i Shina izany izahay tamin'ny fampiasana fitaovam-panadihadiana lahatahiry anankiroa.
Kambodza: Mbola misalasala momba ny raharaham-pitsarana Khmer Rouge ireo bilaogera taorian'ny fifanarahana
Taorian'ny fanemorana hatrany tao amin'ny Efitrano Tsy Mahazatra tao amin'ny Fitsarana Kambodza (ECCC's), tonga tamin'ny fifanarahana ihany ny Firenena Mikambana sy ny Fikambanan'ny Mpisolovava Kambodziana (FMK) tamin'ny herinandro lasa teo mikasika ny fahafahan'ny FMK hisahana ireo mpampanoa lalàna ara-pitsarana mpilatsaka an-tsitrapo.
Any Shina, Miaritra Fandòrana Amin'ny Herinaratra Ireo Miankindoha Amin'ny Aterineto

Ahariharin'i Guo Jianloong, mpanao gazetin'ny 21st Century Business Herald, tao amin'ny lahatsorany ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny maha-olona ampiharin'ny toeram-pitsaboana iray misahana manokana ny fitsaboana ireo miankindoha amin'ny aterineto any Shandong Lin-yi (臨沂 izay tarihin'i Yeung Yongxin. Nanetsika ireo ray aman-dreny hitory an'i Yeung i Guo rehefa nahita ilay lahatsoratra. Fa inona marina no zava-misy ao amin'io toeram-pitsaboana io ?
Mampiasa graffiti hitsikerana ny fitondrana miaramila ao Thailandy ilay mpanakanto ‘Headache Stencil’
Amin'ny alàlan'ny graffiti sy hosodoko amin'ny rindrina, mampiseho ny fitarainan'i Thailandy ankehitriny ho amin'ny demokrasia sy ny fanavaozana ilay mpanakanto miafina Headache Stencil.
Afomanga: Ahoana ny fankalazan'i Japana ny fahavaratra miaraka amin'ny ‘hanabi’
Malaza amin'ny afomangan'izy ireo, fantatra amin'ny hoe 'hanabi' (花火) amin'ny teny Japoney ny volana fahavaratra Jolay sy Aogositra ao Japan. Ireto sary vitsivitsy.
Miaiky ny Facebook fa miadana ny famahana ny olana momba ny kabarim-pankahalana ao Myanmar

Nitatitra ny Facebook tamin'ny 15 Aogositra 2018 fa miadana sy tsy ampy ny ezaka natao hiadiana amin'ny fandisoam-bovao, ny vaovao hosoka, sy ny kabarim-pankahalàna ao Myanmar:
Fihaonambe G8: Mbola toerana tsara kokoa ho an izao tontolo izao?
Nihaona tany Heiligendamm, Alemana tamin'ny herinandro lasa ny G8 (+5). Tonga tamin'ny fifanarahana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fahantrana ao Afrika izay mety tsy ahafa-po ny ankamaroan'ny mpitsikera ny kapitalisma manerantany ireo firenena manan-karena indrindra manerantany .
Sakafo an-dalambe ao Vietnam
Ahitana fanambarana kely mampikorontan-tsaina ireo mpankafy sakafo Vietnamiana an-dalambe ao anivontany Vietnamiana ao Hoi An ny lahatsoratra bilaogy iray tsy tokony heverina ho tsotra momba ny vary akoho (com ga).