Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2018
Ofisialy ankehitriny: Taonan-doza Ho an'i Japana ny Taona 2018
Taorian'ny taona feno loza voajanahary tao Japana, nihevitra ny Orinasa Japoney Mpahay Kanji fa ny teny hoe «loza» no marika nifanaraka indrindra tamin'ny taona 2018.
Shina: Mitady Fanendrena ny Tranombakoky ny Kolikoly
Kasaina ho atsangana ao amin'ny faritany atsimo-atsinanan'i Sichuan ny tranombakoka iray momba ny kolikoly, araka ny tatitry ny China Daily, izay mitanisa avy tamin'ny gazety iray tao an-toerana. Mitady fanendrena avy amin'ireo mpampiasa aterineto hanondro ireo mpiasam-panjakana 100 voafatotry ny kolikoly be indrindra nandritra ny taonjato farany teo ilay tranombakoka.
Uyghur: Silamo Vitsy an'Isa Voaenjika any Avaratra Andrefan'i Sina
Androany, ifantohantsika ny toedraharaha atrehin'ireo Uyghur, silamo vitsy an'isa monina any Xinjiang any Sina, ny kolontsainy izay fongoran'ny governemanta fiobe sinoa, voalohany, satria noheverina ho toy ny mpitaky fizakan-tena ry zareo, ary izao dia raisina ho mpampihorohoro ihany koa, taorian'ireo fanafihana tamin'ny 11 Septambra tany Etazonia.
Meksika: Nantenaina Hanova Zavatra ilay Ezaka Fandarohana Baomba
Na dia tsy nahatratra ny tanjony tao amin'ny Tanànan'i Meksika aza ilay daroka baomba, maro ireo bilaogera maminavina fiovàna. Misy ireo mihevitra fa hiova ireo lalàna, hamela ny fikarohana tsy misy didy sy ny fangiazana tsy ara-dalàna, ao kosa ireo mihevitra fa tsy ho azo antoka intsony ny fandehanana an-dàlambe
Miverina Ao Timor Atsinanana Ny Herisetra
Nipoaka tao Timor Atsinanana indray ny herisetra raha toa ka niezaka ny hisambotra ilay mpitarika mpikomy, Alfredo Reinado, ny mpitandro filaminana iraisam-pirenena.
Fombafomba mampangorohoron'i Japana nampidirina ao anatin'ny lisitry ny vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanan'ny UNESCO
Matetika ny demony miditra ny trano hampatahotra ny ankizy mandra-pampitoniana azy amin'ny sake. Amin'ny endrika hafa amin'ny fombafomba, mihaza (mandroaka) ny ankizy eny an-dalambe ny demony hampatahotra azy ireny.
Korea: Aza ampitomboina ny taonako!
(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Any Korea, misy fomba roa hanombantombanana ny taonanao: amin'ny fomba Koreana sy amin'ny fomba Tandrefana. Ny fomba Koreana no...
Ny Solosaina Findain'ny Solombavambahoaka sy ny Maripahaizana Lisansy ho an'ny Filoha
Niteraka fitroarana ny adihevitra mafana mikasika ilay drafitrasan'ny DPR (Solombavambahoakan'i Indonezia) hanova ny lalàmpanorenana, hamadihana ny maripahaizana Lisansy ho zavatra takína mialoha amin'ireo rehetra hirotsaka hofidína ho filoham-pirenena. Mahaliana be ireo bilaogera indoneziana ihany koa ny olana mikasika ilay fikasan'ny DPR hividy solosaina finday ho an'ny mpikambana tsirairay ao aminy.
Sina: Miadana ireo Vaovao momba ireo Fikomiana ao Urumqi

Miatrika ny hatezeran'i Pekin ny foko Uyghur vitsy an'isa ao Sina taorian'ireo fikomiana niseho tao amin'ny tanànan'i Urumqi, faritanin'i Xinjiang.
Ny Herinandron-tahotr'i Myanmar
Te hampatsiahy ny olona i Moe Moe fa herinandro lehibe eo amin'ny tantaran'i Myanmar ity herinandro ity.