Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2013
Brunei : Fandraràna Ny Tsy Miozolomana Hisakafo Andro Mazava Amina Hotely Miozolomana
Mihatra amin'ireo vahiny sy mpizaha-tany mandritra ny volana masina Ramadana ny fitsipika vaovao izay nahasanganehana ny maro.
Mampiseho Ny Disadisa Misy Eo Amin'Ireo Tanora Sy Ny Ray aman-dreny Ao Shina Ilay Horonantsary ‘Tiny Times’ Novokarin'ny Blockbuster
Kianin'ireo olon-dehibe ao Shina ilay 'Rendrarendran'ny' Tiny Times, tantaranà tovovavy efatra miaina anaty harena izay mikatsaka fatratra ny fitiavana sy ny fahombiazana.
Vehivavy Kandidà Amin'ny Fifidianana Kambojiana
Ny fitaovam-panehoana an-tsarintany no ahafahana manamafy fa mbola ambin-tsafidy any amin'ny antoko lehibe ao Kambodza ny vehivavy
Manohitra Ilay Tetikasa Fitrandrahana Arina Ao An-drenivohitr'i Filipina Ny Mponina
Hanaratsy endrika an'i Davao amin'ny maha-tanàna tsy ahitan-tsetroka azy any amin'ny faritra Azia Atsimo ny fametrahana orinasa mpanao arina.
Profesora Taiwaney Nosamborina Noho Ny Fanoherany Ny Fandravan-Trano An-katerena
"Androany ianareo mandrava an'i Taipu, rahampitso izahay mandrava ny governemanta" hoy ny hiakan'ilay profesora Taiwaney Hsu Shih-Jung raha noraofin'ny polisy izy nandritra ny fihetsiketsehana. Mizaka ny mafy tokoa ny fitolomana hisian'ny rariny sy fitandroana ny zo fototra mahaolombelona.
Vincent Wijeysingha: Politisianina ao Singapore Nilaza ny Maha-Pelaka Azy
Tao amin'ny kaonty Facebook-ny no nanoratany izao: Ho any Pink Dot aho rahampitso. Eny, Pelaka aho.
Manome Famatsiam-bola Ho An'ny Hetsi-panentanana Hikarohana Ny ‘Nofinofy Shinoa’ i Shina
Nahazo famatsiana akademika ho an'ny fikarohana ny "Nofinofy Shinoa", fampielezan-kevitr'i Shina nalaina avy amin'ny nofinofy Amerikana, izay manindry ny Antoko Kaomionista ho ilay làlana tokana mankany amin'ny fiandrianana.
Nanangana ny Sendikàny Voalohany Ny Mpanarato Mpifindra Monina Ao Taiwan
Nitsangana ny sendikan'ny mpiasa mpifindra monina voalohany tao Taiwan tamin'ny 25 Mey 2013 ho fanatsarana ny tontolon'ny asan'ireo mpanjono vahiny
Namadika Palitao i Jack Ma, Ilay Mpanapitrisa, Ary Niarahaba Ny Governemanta Shinoa
Simba teo imason'ny olona ny laza maha-tsy mpandany an'i Ma Yun (马云), ilay Shinoa malaza Mpandraharaha amin'ny Aterneto, fantatra amin'ny anarana hoe Jack Ma, nandritra ilay fanadihadiana nataonà gazety iray azy, izay niderany an'i Shina nohon'ny fisivanana anaty aterineto sy herisetra ataony ary ireo tetika fampiasan-keriny.
An'arivony Ireo Nanao Diabe Tao Shina Nanohitra Ilay Tetikasa Fametrahana Fitaovana Fandoroana Fako Ao Guangzhou
An'arivony ireo mponina avy ao amin'ny tanàna iray ao Guangzhou, faritany iray ao Atsimon'i Shina, no nidina an-dalambe hanao hetsi-panoherana nohon'ny tahotra ny mety handotoana ny tontolo iainana.