Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2019
Tsy andriko izay hanambadiana: mpivady mitovy fananahana an-jatony maro no nankalaza ny mariaziny tany Taiwan
Manokatra ny vavahady ho an'ny fitoviana ara-panambadiana ho an'ny mpivady mitovy fananahana any Taiwan ny 24 Mey. Mpivady an-jatony no nanao fampakarambady tao amin'ny nosy, nankalaza ny fiafaran'ny fanavakavahana sy ny fankatoavana ara-tsosialy.
Nampiseho tsy nahy ny fahorian’ireo mpitsoa-ponenana any Japana ny Sampandraharaha misahana ny fifindra-monina ao Tokyo
Tsy ny graffiti loatra no nokendren'ilay sioka nopaingorina fa ireo tsikera momba ny fomba fampijaliana ireo mpitsoa-ponenana, mpiasa tsy manana taratasy ary ireo olona notanan'ny sampandraharahan'ny fifindra-monina hafa.
Sokitry ny “Tank Man” abontsina hita ao Taiwan alohan'ny fahatsiarovana ny fandripahana tao Tiananmen
"Koa mihevitra aho fa zava-dehibe ho an'ny vahoaka Taiwaney ny manohy miresaka ity lohahevitra ity - isorohana ny fanadinoan'ny olona ity toe-javatra ity"
‘Kolontsain'ny famonoana olona sy ny tsimatimanota': Namoizana ain'olona roa ny tifitra tao amin'ny toerana fisotroana kafe any Filipina
"Tsy mbola fantatra mazava ny antsipiriany feno, saingy ny hany fantatra dia ny hoe nanosika ireo mpamono olona hirehareha amin'ny basiny ampahibemaso ary hitifitra olona io kolontsain'ny famonoana olona sy ny tsimatimanota io."
Shina, nisambotra mpanatontosa sarimihetsika namerina nibitsika sarinà tavoahangin-toaka miiresaka ny fandripahana tao Tiananmen
Hita eo amin'ny sary amin'ny taratasin'ilay tavoahangy ny sarin'i "Tank Man" arahan'ny famaritana hoe "Aza adinoina mandrakizay, Aza Milavo Lefona"
Fikasana hetsika hanenjehana ireo bilaogera Maleziana

Miatrika ny hoavy mampikorontan-tsaina noho ny governemanta mandray fepetra henjana manohitra ny bilaogy sy ny tompona tranonkala ireo bilaogera miresaka politika any Malezia na dia teo aza ny fankalazana ny fandresen'ny mpanohitra nandritra ny fifidianana tamin'ny 26 Aogositra 2008.
Ahoana ny fitsidihana fiaran-dalamby ao Shina mba tsy ho voampanga ho manao fitsikilovana
Raha hitsidika hijery fiaran-dalamby ao Shina ianao dia mila mitandrina, raha tsy izany ho voampanga ho mitsikilo indostria, araka ny filazan'ilay mpitsidika fiaran-dalamby malaza sady mpisera YouTube, RailKingJP.
Tatitry ny Mpisera: Mifantoka Amin'ny Google Sy Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ireo Mpanaramaso Sinoa Mialoha Ny Tsingerintaona Faha-25 -n'ny Tiananmen

Manomboka ao Shina ny tatitra amin'ity herinandro ity izay nanakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ireo tolotra Google rehetra misy soramiafina na tsia ampiasain'ny Google ao amin'ny firenena ary nambaran'ny governemanta ny fisian'ny vava-ady iray vaovao anatin'ny adiny hanoherana ireo "tsaho anaty tambajotra": fampiasa fandefasana hafatra amin'ny aterineto