Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2014
Ranon-trambo Sy Tany Nihotsaka Namely Tao Sulawesi Avaratra, Indonezia
Namely ny tanànan'i Manado tao Indonezia ny ranon-trambo sy ny fihotsaky ny tany mahery vaika ary nampifindra mponina maherin'ny 40.000. Voalaza fa nandrakotrafiara am-polony sy mpandeha tao anatiny ny fihotsaky ny tany.
Lahatsarin-kira 12 Niavaka Tao Taiwan Tamin'ny 2013
Mbola miainga amin'ny resaka politika sy ireo olana maro, nihanasiaka tokoa ny sehatry ny mozika tao Taiwan ny taona 2013.
Shina: Avoahy Ilham Tohti — Tohano ny Fampihavanana Ara-Poko

Nosamborin'ny polisy tamin'ny 15 janoary teo i Ilham Tohti, mpanorina ny Uyghur Online sady mpisolovava tony fihetsika ho amin'ny politikan'ny fizakantenan'ny foko ao Shina. Misolovava amin'ny famotsorana azy ny mpanohana azy an-tserasera.
SARIPIKA: Drone Maka Sary Ny Hakanton'i Thailand
Tamin'ny fampiasana "drone" ilay bilaogera Richard Barrow monina ao Thailand no mizara sary talaky maso maro mahasondriana ao amin'io firenena iray io. Nampiasaina ihany koany "drones" hanarahana ny fizotry ny fihetsiketsehana any Bangkok
Fomba Fitaizan-tSinoa Maka Tahaka ny ‘Tigra’ Miteraka Fitarainana Avy Amin'ny Tanora
mamono ny tsy fananan-tsiny [ry zareo] mandritry ny fahazazan'ireo ankizy, mamono ny nofinofintsika mandritry ny maha-zatovo antsika sady mamono ny hetahetantsika mandritry ny fahatanorantsika
Sarin-kisoa Voasivana Tao Malezia
Nohamaintisina ireo sarin-kisoa nataon'ny orinasa iray mpanonta printy tao anatin'ny fanontàn'ny "New York Times" Maleziana. Nahatezitra olona maro tany amin'ireo firenena be mpino Miozolmana ilay 'fanivànana ny kisoa'
Koreana Tatsimo 20 Tapitrisa Iharan'ny Halatra Mombamomba Azy Amin'ny Karatra Fakàm-bola
Anatin'ny ezaka ho fampitoniana ny hatezeran'ny olona, namoaka fepetra ny manampahefana, saingy mbola bora menan'ny hatezerana ny olona
Fenitra Any Tibet Sy Ny Faritr'i Uyghur Ny Fahatapahan'ny Aterineto

Any amin'ny faritra Andrefan'i Shina ao Uyghur sy Tibet, dia akatson'ny fanjakana ny Aterineto ho valin'ny hetsi-panoherana sy ny korontana.
Mitaraina Amin'ny Fihisatry Ny Asa Famonjena Sy Ireo Fialofana Tsy Manara-Penitra Ireo Traboinan'ny Rivomahery Haiyan Ao Filipina
Mbola an-dalam-panangonana azy foana ireo razana ao Visayas efa ho volana roa aty aorian'ny namelezan'ilay rivomahery Haiyan an'i Filipina. Voalaza ihany koa ho tsy taka-bidy sy tsy manara-penitra ireo trano fialofana vonjimaika naorina
Notsikilovin'i Aostralia i Timor-Leste Mba Hahazoany Tombontsoa Ara-toekarena
Tahaka ny tia mitsikilo ireo namany sy ireo manodidina azy i Aostralia. Taorian'i Indonezia, anjaran'i Timor Atsinanana indray no nitsikera an'i Aostralia noho ny fitsikilovany ireo mpitondra azy.