Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2019
Nahazo aingam-panahy tamin'ny lalan'i Baltika 1989, nanao ny rojon'olombelona ny mpanao fihetsiketsehan'i Hong Kong hitakiana ny fahafahana sy ny demaokrasia
"Nanavatsava fotoana sy toerana ny fahazavan'ny fahafahana. Tena mamirapiratra. #StandwithHongKong #BalticWay [Miaramijoro amin'i Hong Kong, Lalan'i Baltika]"
Ny hetsi-panoherana ao Hong Kong imason'ny Filipiana iray mifindramonina hiasa
Miantraika tahaka ny ahoana ireny fivoriana ireny amin'ny fiainan'ny mpiasa nifindramonina? Inona ny eritreritry ry zareo momba ny fihetsiketseham-panoherana?
Tsy nahomby taorian'ny valifatin'i doxxing ny fikasan'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina izay nikendry ny hanenjika ireo mpanao fihetsiketsehana tany Hong Kong
Vetivety dia nanajanona ny tetikasan'izy ireo ny hitsongo dia ireo mpanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanolorana olomeloka tao Hong Kong ireo mpikambana tao amin'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina, taorian'ny nanabaribariana tao amin'ny Aterineto ny mombamomba azy manokana, izay ahitana ny laharan'ny karapanondro sy ny toebolan-dry zareo any amin'ny banky.
Andiana lahatsary fanadihadiana maro manasongadina ny ady atrehan'ireo vehivavy mpikatroka any Vietnam
"Ao anatin'ny fitondrana jadona iray, tsy misy manana fahalalahana, indrindra fa ny vehivavy, ambony be raha oharina amin'ny lehilahy ny tsy fahampian'ny fahalalahan'izy ireo."
Tsy afa-miditra fanabeazana ireo mpialokaloka ao Java Andrefana, Indonezia ka dia ry zareo ihany no nanangana ny sekoliny
Mety mandany taona maro tsy afa-mahazo ny satam-ponenana maharitra ny mpialokaloka ao Indonezia.
Fahatsiarovana ny fitroarana ho amin'ny demokrasia tamin'ny taona 1988 tany Myanmar
"Nilaza ny gazetin'ny governemanta fa 300 no maty saingy nanombana ny loharanom-baovao tsy miankina fa impolo avo heny noho izany ny tena tarehimarika marina."
Malezia: Tsia, Lavina ny teny anglisy amin'ny taranja Siansa sy Matematika
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2009) Foana ny teny anglisy intsony amin'ny taranja Siansa sy Matematika manomboka hatramin'ny taona 2012. Fanapahankevitra tena tara loatra avy amin'ny Ministeran'ny Fanabeazana io...