· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2012

Zanakavavin'ilay Mpanao Didy Jadona taloha no voafidy ho Filoham-Pirenena ao Korea Atsimo

Tamin'ny 19 Desambra 2012, Park Geun-hye dia voafidy ho Filoham-pirenena manaraka indray ao Korea Atsimo. Izy dia avy amin'ilay antoko ila havanana Saenuri party sady zanakavavin'ilay mpanao didy jadona taloha Park Chung-hee. Na dia teo aza ireo zava-bitan'i Park amin'izao izy vehivavy voalohany voafidy ho Filoham-pirenena ao anaty fiaraha-monina izay ny lehilahy no Loholona izao, ireo tanora liam-pandrosoana sy tia fihetsiketsehana dia manohitra mafy an'i Park.

29 Desambra 2012

Rivo-Doza Nandringana Ain'Olona Tany Filipina: “Nanidina Daholo ny Zavatra Rehetra. Tena Tsy Nampino.”

Mopera Joel Tabora namintina ny haben'ny fahavoazana tamin'ny fandalovan'ilay rivo-doza Pablo tany amin'ny faritra atsimon'i Filipina: "Toy ireny miditra aminà faritra misy ady ireny ny miditra ao amin'ny Monisipaly Compostela, akondro aminà hekitara sy hazo fihinam-boa maro no nidaboka. Tsy manan-kohanina ny olona any zao. Tsy misy rano madio. Tsy misy onjam-pifandraisana. Afaka roa volana raha kely indrindra vao andrandraina ho tafaverina ny herinaratra."

28 Desambra 2012

Fa Maninona no Tian'ny Olona ny Asam-Panjakana ao Shina?

Nahatratra hatramin'ny 1,12 Tapitrisa ny Sinoa niatrika fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, ny 25 Novambra 2012 teo, izany hoe nahitana fitomboana 150.000 noho ny tamin'ny taon-dasa, araka ny tatitry ny mpiasan'ny sampandraharaham-panjakana misahana...

17 Desambra 2012