Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2020

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2020

Tsaho toy ny ahoana ireo niely nandritra ny fifidianana filohampirenena 2020 natao tany Taiwan?

"...zavatra kendren'ny ankamaroan'ireo tsaho ny hampizarazara ny fiarahamonina ao Taiwan. Amin'ny fandonana ny fihetsehampon'ny olona sy ny fanasamantsamahana ny fiarahamonina ho lasa ankolafy politika roa mpifanandrina."

‘L Japan': Olon-droa miaraka mibilaogin-dahatsary ny fiainan'ny vehivavy mifanambady

Jereo ny fampahafantarana momba ny tenin-jatovo Japoney hiantsoana ny fiarahan'ny vavy samy sy ny maro hafa ao amin'ny fantsona YouTube nataon'ny mponina ao Kobe Miho sy Clare.

Fifanoheran-dresaka any Malezia: Fampielezan-tsaho ve ny lahatsoratra Facebook miresaka coronavirus?

"...tsy ilaina ny fanamelohana olona iray eo ambanin'ny Fehezan-dalàna Famaizana na manaiky aza aho fa ilaina ny fameperana sasany amin'ny fotoan-tsarotra. Tsy misy antony tokony hametrahana ny famerana amin'ny alàlan'ny fepetra famaizana amin'ity tranga ity."

Niompana tamin'ny adihevitra momba ny zon'olombelona any amin'ireo faritany avaratra-atsinanana ilay Fivoriambe tao Tailandy

"Mila manao izay hahamenatra ny governemanta isika, na hanao izay hahatsapan'izy ireo ny henatra tokony ho tsapany amin'ny fampiasany herisetra sy fampitahorana an'ireo mponina izay miezaka fotsiny miaro ny fivelomany."

Mihitsoka sy mirehitra ny orinasa ‘Mario Kart’ mpanao cosplay taorian'ny nampakarany ny fanapahankevitry ny Nintendo

Amporisihina ireo mpanjifa hanao fiankanjo natolotry ny Maricart ho toy ireo endrik'olona malaza ao anaty andiany "Mario Kart" an'ny Nintendo sy mba "hihazakazaka" ao an-tanàna, saingy efa tapitra ireny andro ireny.

Manomboka ao Cox's Bazar ka hatrany Yangon, mampiseho firaisankina amin'ny Rohingya vitsy an'isa any Myanmar ireo poety

"Nampiely ny foko vitsy an'isa ny famoretana tao Myanmar, ankehitriny mampiray anay ny tononkalonay."

Nangidy lela amin'ny tsy fahasahian'ny governemanta manakana ireo mpitsidika avy any tanibe ny mpiasan'ny fitsaboana ao Hong Kong

Nandrisika ny governemanta ny matihanina ara-pitsaboana ao Hong Kong hanakatona ny toeram-pisavana an-tsisitanin'i Hong Kong sy i Shina ho famerana ny fielezan'ny coronavirus-n'i Wuhan (Covit-19) ho ao Hong Kong.

Mitsapa ny fenitra ara-piarahamonin'i Facebook ireo tava mampihomehy ao Myanmar

Mandrisika ny mpisera hampiasa ny tena mari-panondroana azy ny fenitra ara-piarahamonin'i Facebook, saingy tahaka ny maha-ankona ilay tranonkalam-pifandraisana ny fironana malaza ao Myanmar.

Efa hisy ny fivezivezena be amin'ny taombaovao shinoa vao mandray matotra fisian'ny coronavirus-n'i Wuhan i Shina

Mihoatra ny 400 tapitrisa ny isan'ny shinoa miomana handray ny taombaovao manara-bolana amin'ny 24 janoary, iray amin'ny fifindra-monina isa-potoana goavana indrindra eto ambonin'ny tany, vao nohamafisina manerantany ny fahamarinan'ny sahoan-dresaka fisian'ny endrika coronavirus vaovao, na dia mihisitrisitra ny amin'izany aza i Beijing.

Mangorona mena: fankalazana ny taombaovao shinoa

Haharitra andro maromaro, izay nanomboka tamin'ny 24 janoary ny taombaovao manara-bolana 2020.