Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2009
Malezia: “Aiza ny demokrasia?”
Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.
Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia
Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe "Ny Demokrasia dia..."
Shina: Noana ny mpiserasera, tsy misy resa-bary intsony!
Nahantona hatramin'ny faha-8 jolay lasa teo ny Fanfou izay shinoa mpifaninana amin'ny Twitter. Hatramin'izao fotoana ny hany nolazain'i Wang Xing mpanangana ny Fanfou dia hoe noho ny antony “fikojakojana” io...
Malezia: Novan'i Yuna endrika ny mozika Indie
Taona vitsivitsy izao dia maro tokoa ireo mpiangaly mozika miahy tena no mahazo dera sy laza avy amin'ireo tranonkalam-pifandraisana ara-tsosialy toy ny YouTube sy ny MySpace. Fantaro i Meet Yuna avy any Malezia. Ambetin-dresaky ny tontolon'ny fitorahana blaogy any an-toerana izy amin'izao tsy noho ny famokarana mozika avo lenta ihany fa noho ny sariny mahafatifaty indrindra koa. Manaitra izy, amin’ny saina madio, teo amin’ny sehatry ny mozika indie noho ny fiakanjoany ny tundung, sy saly afatotra amina loha izay fanaon’ny tovovavy any Malezia.
Sina, Korea Avaratra: mitovy amin'i filoha Mao ve i Kim?
Ny 04 jolay lasa teo, fetim-pirenen'i Etazonia, dia nanao fanandramana nokleary vaovao indray i Korea Avaratra ka nandefa balafomanga 7, ary antonontonony ny fahalavirana vitan'ny sasany ka mampidi-doza an'i Japon...