Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2015
Siansa-Famisavisana Shinoa Nandrombaka ny Loka Hugo Tantara Foronona Tsara Indrindra
"Eny fa na dia amin'ny siansa-famisavisana mampiahiahy an'i Liu Cixin aza, raha apetraka eo ankilany ny taletany ara-haisoratra, dia mbola misongona lavitra dia lavitra ireo Shinoa mpanoratra siansa-famisavisana indray mihira aminy ny fahaizany maka an-tsary an-tsaina."
Nahazo Olona 100.000 Ny Fihaonambe Bersih Maharitra 34 Ora Tao Malayzia Izay Manohitra Ny Kolikolin'ny Governemanta
"Ho an'ny maro, zavatra nanome herim-po ho azy ireo mba hanofinofy ny Bersih 4. Mba ahafantarana fa azo atao tokoa ny mampisy Malayzia marina sy ara-drariny."
Ndeha Hijery Ireo Vahoaka Kachin Nafindra Toerana Any Myanmar Avaratra
"Tsy misy fotoana mahafaly eto amin'ny toby. Miady mafy amin'ny fiainana izahay ary matetika izahay dia sahirana foana amin'ny fiainanay."
515 Andro Taty Aoriana, Mitarika Fanontaniana Maro Ho An'ny Fianakaviana Ny Potipoti-javatra Hita Tamin'ilay Fiaramanidina 370 Tao Shina
Nandrehitra indray ny sorisorin'ireo fianakavian'ny mpandeha tao anatin'ilay fiaramanidina tsy hita Ireo fifanoheran-kevitra tamin'ny fanadihadiana.
Singapore : Latabatra Ping-Pong iray Mametraka Ny Fitsipiky Ny Fizakàmanana Ara-Tsaina Ho Ambany Maso
"...tsapanay fa maro ny zavatra azo atao mba handrisihina, hanajàna ary hiarovana ny votoatinà famoronana. Saingy indrisy, fa mbola mitoetra ihany ny tsy fahafantaran'ny mpanakanto ny zony sy ny fanao mahazatra ny indostria. "
Filipina: ‘Esory eo amin'ny baoritra Balikbayan anay ny tananareo!’ ry governemanta…
"Ny fiampangana ankolaka ilazana azy ireo ho misoloky ny governemanta no ompa tsy ho afa-tsiny mandrakizay sy tsy hohadinoina na oviana na oviana."
Heverin'ny Malezia Ny Hanerena ireo Vohikalam-baovao Hisoratra Amin'ny Governemanta, Satria Mitatra Ny Tantara Ratsy Ara-politika

"Tsy azo inoana mihitsy hoe tsy natao ho amin'ny zavatra hafa ankoatry ny fandraràna ny tsikera io fanovàna io."
Any Malezia, Mandeha An-Tsekoly Ao Anatin'ny Tahotra Ireo Ankizy Mpitsoa-ponenana Myanmar
Mampiseho ny zavatra atrehan'ny vondrom-piarahamonina mpitsoa-ponenana Myanmar any Malezia, ilay tetikasa lahatsary fanadihadiana.
Sary Mampiseho Ny Fahasamihafana Ara-kolontsaina Eo Amin'i Hong Kong sy Shina
Vao haingana izay ny vondron'artista miorina ao amin'ny Facebook antsoina hoe Local Studio Hong Kong no namoaka andiam-pandravahana mitondra ny lohateny hoe "Hong Kong tsy i Shina", manamarika ny fahasamihafana eo amin'ny fiarahamonin'i Hong Kong amin'i Shina Tanibe eo amin'ny lafiny politika, sosialy, fiteny ary kolontsaina.
“Nahoana No Tian'ny Governemanta Hosimbàna Aminà Toby Famokarana Herinaratra Mandeha Amin'ny Arintany i Krabi ?”
Mandroso hevitra hanorenana toby ahodina amin'ny arintany ao Krabi ny governemanta mba hampitomboana ny famatsiana herinaratra ao an-toerana, nefa koa rahona mitatao hamotika ny fizahantany malaza sy ny tontolo iainana arovana ao izy io.