· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2018

Shina: Tsy misy mpisolovava ho an'i Hao Wu

  19 Oktobra 2018

(2006) Tsy navela haka mpisolovava i Haozi, ilay blaogera tao Beijing. Manahy avokoa ireo akaiky azy, indrindra ny zokiny vavy izay manao ny faraheriny mba hahitana vahaolana amin'izany.

Singapaoro : dokambarotra maharikoriko ho an'ny Burger King

  18 Oktobra 2018

Manolotra sandwich (mofo voasesika) vaovao antsoina hoe ''Super Seven Incher" ho an'i Singapaoro ny Burger King (Fanamarihana: 7 inch = 18 sm eo ho eo). Mba hampahafantarana ity vokatra vaovao ity, nanao afisy iray izay manintona saina sy tsikera manerana izao tontolo izao ny masoivoho ray mpanao dokambarotra any an-toerana.

Fanentanana momba ny SIDA amin'ny alàlan'ny lahatsary

  17 Oktobra 2018

Aretina mandripaka maneran-tany izay namotika ny fiainan'ny lehilahy, vehivavy ary zaza maro nandritra ny 20 taona mahery ny VIH/SIDA. Anndroany, mitondra lahatsary ho anao izahay, izay miresaka momba ny VIH/SIDA amin'ny endriny maro samihafa: ahoana no hiainana izany, hiarovana ny tenanao tsy ho tratrany ary ahoana no hanentanana momba izany. Avy any Kamerona, hira nahazo loka voalohany tamin'ny resaka SIDA, avy any Arzantina, hetsi-panentanana izay tsy matahotra ny milaza amin'ny tanora ny atao hoe kapaoty sy ny fomba fampiasana azy, ary avy any Beijing, lahatsary mikasika ny fanavakavahana, miaina miaraka amin'ny SIDA ary ny tanjaka hahatonga ilay toedraharaha ho an'ny besinimaro.

Fanakanana ny Lahatsary Bubble Gum (Siligaoma) ary i Singapaoro

  17 Oktobra 2018

Nifandray tamin'ny Tomorrow.sg, ilay metablaogin'i Singapaoro ny lahatsary iray nitondra ny lohateny hoe ''Bubble, Bubble, Toil and Trouble'' novokarin'i Nicholas Carlton. Novokarina tao Singapaoro ary maneho ny fanakanan'i Singapaoro ny lahatsary Bubble Gum ny ampahany amin'ilay lahatsary.