Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Avrily, 2020
Mahomby amin'ny fanakànana an'ireo media mpandàla an'i Pékin ve ny lalàna manohitra ny fitsofohana an-tsokosoko ao Taïwan ?
Nilaza ireo trano mpamoaka vaovao mpomba an'i Pékin fa mety handao ny tsena ao Taiwan ry zareo ho fanoherany ilay lalàna miady amin'ny fitsofohana an-tsokosoko nataon'i Taiwan
Mpanao gazety an-tserasera notazonina noho ny nanatsongany ny torohevitry ny praiminisitra Kambodziana momba ny COVID-19

"Tsy tokony ampiasaina ho antony hanilihana mpanao gazety izay tsy manaraka anjambany ny fanjakana ny krizin'ny Covid-19."
Fandresena ho an'ireo sarimbavy mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Chulalongkorn tao Tailandy
alohan'io fanitsiana io, tsy nanana rafitra manokana natao ho an'ireo sarimbavy sy sarindahy mpianatra mba te-hiakanjo araka izay maha-lahy na maha-avy azy ny Oniversiten'i Chulalongkorn.
Loza ho an'ny toekarena shinoa ihany koa ny Wuhan coronavirus
Rehefa mifanontona ny valanaretina sy ny fandaniam-be mahazatra amin'ny fankalazana ny taombaovao Shinoa, dia marary mafy ihany koa ny toekaren'ny firenena.
Nitokona tamin'ny karama tsy voaloa nandritra ny fiparitahan'ny COVID-19 ireo mpiasan'ny akanjo Kambodziana
"Tsy avelantsika hialan-tsiny amin'ny fanemorana ny fandoavana ny karaman'ireo mpiasa ny mpampiasa, satria manana trosa ny mpiasa ary tsy afaka miala tsiny izy ireo amin'ny fanemorana ny fandaniany."
Nipoaka ny hatezerana rehefa nambara fa anisan'ny hotiliana voalohany amin'ny COVID-19 ireo mpanao politika Indoneziana
"Betsaka ny olona tezitra amin'ireo parlemantera satria na dia ny mpitsabo, ny infirmiera, ny mpamilin'ny fiara mpitondra marary - ireo olona tena akaikin'ny marary - aza dia tsy atao fitiliana."