Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2016
Mahita Ireo Fanenitra Goavana ‘Mampidi-doza’ Ho Mahafatifaty, sy Manainga Fanahy, ireo Japoney Sasany—Matsiro Mihitsy Aza.
Raha volana Aogositra izao, midika izay hoe tokony hijery ireo fanenitra goavana any Japana ianao. Mitandrema tsara!
Mitantara ny Tantaran'ny Fianakaviana Zeca Afonso Tao Timor Atsinanana Nandritra Ny Ady Lehibe Faharoa i “Rosas de Ermera”
Nogadrain'ny tafika Japoney tao Timor ny fianakavian'ilay mpihira Zeca Afonso nandritra ny ady lehibe faharoa. Vao nivoaka ho boky ity tantara notazonin'ny fianakaviana ho tsiambaratelo ity ary hivadika ho lahatsary fahadihadiana tsy ho ela.
Avy Any Harbin Ka hatrany Shenyang, Fampatsiahivana Ny Fitsipika Mavesatry ny Fanjakan'i Japana Tao Avaratra-Atsinanan'i Shina
"Misy satroboninahtra eto avy amin'ny Masoivohon'i Japana ao Shenyang, ary niaiky tamin'ny fomba ofisialy ny fanjakana Japoney fa nisy tokoa ity (habibiana tao Pingdingshan) ity."
Asehon'Ireto Lahatsary Ireto ny Fahalotoana sy ny Faharavana Ateraky ny Fitrandrahana Goavana ny Harena An-kibon'ny Tany ao Filipina
Mampiasa finday ary tonga hatramin'ny fampiasana tantelimby (drone) ireo mpanangom-baovao sy mpanao gazety fanadihadiana hampisehoana ny fandravana ateraky ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany amin'ireo riandrano sy ony ao amin'ny firenena.
Horohorontany Nandrava Tempoly Tranainy Maherin'ny 200 Tao Myanmar
Malaza indrindra manoatra noho ny Angkor Wat anyi Kambodza sy ny Borobudur ao Indonezia ireo tempoly tranainy ao Bagan
Ankalazaina Amin'ny Fampirantiana Kanto Ao Amin'ny Lapa Voalohany Ao Indonezia Ny Ady Ho An'ny Fahaleovantena
"Antenaina hampitombo sy hitazona ny fitiavana ary ny fireharehàna amin'ny nasionalisma ao an-tsain'ireo vahoaka Indoneziana, indrindra ireo tanora ito karazana fampirantiana ito."
Arahabao Ny Lalàmpanorenana Vaovaon'i Thailandy. Ary Arahabao Indray Ny Didy Miaramila Ao Thailandy
Miharihary fa ny lalàmpanorenana vaovao dia mampiroborobo ny fanjakazakan'ny miaramila, mandrahona hampijoro ara-dalàna kokoa ny kolontsain'ny sivana sy ny fanarahamaso ataon'ny fanjakana amin'ny haino aman-jery.
Mitodika Any Amin'ny Governemanta Ireo Tantsaha Mpamokatra Siramamy Ao Filipina Miatrika ‘Taom-Pamokarana Maty’ Iray Hafa Indray
Mety ho henjana ho an'ny tantsaha ny toy izany satria mihoatra ny roa hetsy amin'ny mpiasan'ny famokarana siramamy miisa 385.000 be izao ary fantatra amin'ny anarana hoe "sakada" no nafindra toerana tany amin'ny Nosy Negros fotsiny.
Nanao Ny Asany Tsy Nieritreretany Ny Fifehezan'ny Antoko Kaominista Mihitsy Ilay Shinoa Mpanazatra Volley-ball, Lang Ping
"Shinoa mahaleotena izy, izay naseho teo amin'ny sehatra fanatanjahantena iraisam-pirenena, tsy sariolona ao anatin'ny milin'ny rafitry ny fanatanjahan-tena an-databatry ny firenena izy.."
Fihantsiana Ireo Mpanao Sivana Tranonkala : ‘Manompo’ Sahobakaka Ny Shinoa Ho Fanamarihana Ny Faha-90-Taona Nahaterahan'ny Mpitondra Fanjakana Teo Aloha
Raha voateritery ny vanim-potoanan'ny sahobakaka , dia hita fa tsara kokoa noho ny vanim-potoanan'i Bun [midika hoe an'i Xi ] izany. Mitovy amin'ny gadra ao amin'ny maizina, tsy mahazo fakan-drivotra fohy ivelan'ny trano ireo vahoaka Shinoa nanompo ny sahobakaka raha amin'izay fomba fijery izay