Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jona, 2018
Nahazo ny Palme d'Or Tany Cannes ilay Japoney Hirokazu Kore'eda. Ireto santionany fohy amin'ny sarimihetsika notontosainy
"Tsy nanao sarimihetsika mihitsy aho hiderana na hanakianana zavatra iray. Fanaovana propagandy ny fanatontosana karazana horonantsary tahaka izany."
Japana: Vehivavy maro adala amin'ny sarivongan'i Boddha
Antsoina hoe ‘Buddha girls' (仏女butsujo ) (mpankafy Boddha) izy ireo, vehivavy tanora Japoney eo anelanelan'ny telopolo sy efapolo taona, liana amin'ny fitsidihana ny tempoly sy mankafy ny sarivongan'i Boddha sy Bodhisattva.
Fanavakavaham-pahafahana : Hanangana faritra aterineto misokatra ao amin'ny nosiny fizaha tany i Shina

"Raha tsy maninona ny mitsidika Twitter, Facebook, nahoana no vahiny ihany no avela hiditra fa tsy ny Shinoa?"
Inona no novakian'ireo mpamaky ny Global Voices nandritra ny herinandron'ny 18 – 24 Jiona 2018?
Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 201 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices
Kintan'ny football iray vao misandratra anisan'ny Uyghurs iray tapitrisa mahery alefa any amin'ny toby fanarenan-tsaina shinoa
Tombanana ho mihoatra ny iray tapitrisa ny Uyghurs any Xinjiang nalefa tany amin'ny toby fanarenan-tsaina mba ho esorina izay nianarany ary hanitsiana ny fijeriny ara-pivavahana sy ara-politika.
Indonezia: Tondra-drano tany amin'ireo faritany miisa 13
Niaina tondra-drano nandritra ny herinandro noho ny oram-batravatra ny faritany miisa 13 tany Indonezia. Namoizana ain'olona miisa 14 ny loza nitranga raha telo hafa kosa no tsy hita . Olona mihoatra ny 50.000 no voatery nafindra toerana. Nihoatra ny roa metatra ny rano tao Jakarta, renivohitr'i Indonezia.
Indonezia: Tany nihotsaka nahafatesana olona tany Papouasie Andrefana
Olona maherin'ny 80 no maty ary an-jatony maro no mbola tsy hita popoka raha nandrava ny tanàndehiben'i Wasior any Papouasie Andrefana, Indonezia ny tany nihotsaka.
Shina: Lahatsary Nivoaka Maneho ny Fifandonana Teo Amin'ny Polisy sy Mpianatra Tao Jiangxi
Niely tamin'ny aterineto ny lahatsarin'ny ekipana polisy roa arivo sy miaramila mankany am-pianarana, miditra, misava ny trano fandrian'ny kilasimandry, mandroaka ireo mpianatra ary manafika azy ireo
Shina: Rafitra vaovao fanomezana tapakila ho an'ny mpitaingina fiarandalamby
Tahaka ny "Chunyun" - efa akaiky ny vanim-potoana fivezivezena mialoha, mandritra sy aorian'ny Taombaovao Shinoa, nampihatra rafitra tapakila "tena anarana" ny roa tamin'ireo fitaterana an-dalamby lehibe indrindra ao Shina.
Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 11 -17 Jona 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 11 Jona ka hatramin'ny 17 Jona 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 205 ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Ny laharana faha 17 ao amin'ny lisitra ve ? Filipina. Ary ny faha 78 ? Senegal.