Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Voadarodaroka ny fahalalahan-gazety ao Filipina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2007)

Hatramin'ny nirodanan'ny didy jadona Marcos tamin'ny taona 1986, nosokajiana toy ny amin'ireo malalaka indrindra manerantany ny gazety Filipiana. Saingy tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, nahatsikaritra fanafihana miely patrana amin'ny fampahalalam-baovao Filipiana ireo vondrona samihafa. Mpanao gazety maro avy amin'ny faritany no maty novonoina. Nakaton'ny governemanta efa ho herinandro ny gazety tamin'ny taona lasa. Manakorontana mpanao gazety ny Fianakaviana Voalohany (Fianakavian'ny Filoha) amin'ny fitoriana tranga fanalàm-baraka eny amin'ny fitsarana.

Pinoy Press manonona fanambarana avy amin'ireo mpanao gazety izay niampanga ny Lehilahy Vadin'ny Filoha ho mamerina mamaritra indray ny fanalam-baraka:

“We are deeply concerned that the First Gentleman, Mike Arroyo, is not using this libel suit to seek legitimate redress. Rather he is redefining libel, a clear affront to the Philippine press. As we know, the test of libel is the presence of malice. But Mr. Arroyo disregards this basic tenet and recklessly uses libel to intimidate and silence the press. The message we’re getting is this: anything that hints of criticism of the First Gentleman or is considered unfavorable coverage of his activities is “libelous.” In effect, he hinders the public’s right to information on matters of public concern.”

“Tena miahiahy tanteraka izahay fa tsy mampiasa ity fitoriana fanalam-baraka ity mba hitady fanarenana ara-drariny ny Lehilahy Voalohany (vadin'ny filoha), Mike Arroyo. Fa mamerina mamaritra indray ny atao hoe fanalam-baraka, fanafihana ankarihary ny gazety Filipiana. Araka ny fantatsika, ny fitsapana fanalam-baraka dia ny fisian'ny faharatsiana. Saingy tsy manaja ity fitsipika fototra ity Atoa Arroyo ary mampiasa tsy am-pitandremana ny fanalàm-baraka mba handrahonana sy hanampenam-bava ny gazety. Ny hafatra azonay dia izao: ny zavatra rehetra izay maneho tsikera momba ny Lehilahy Voalohany na heverina fa fitantarana tsy manome vahana ireo asa ataony dia “fanalam-baraka.” Raha ny tena izy dia manakana ny zon'ny vahoaka hahazo vaovao mikasika ny zavatra mahaliana azy ireo izy. “

Freedom Watch milaza amin'ny antsipirihany mikasika ny valintenin'ireo mpanao gazety:

“More than half of the 45 reporters, columnists, editors and publishers the First Gentleman, Jose Miguel Arroyo, has sued for libel are filing a civil class action suit against him. The first of its kind in the Philippines, it is a civil as well as class action suit. The class action suit is asking for damages for the anxiety, loss of income, and other inconveniences Mr. Arroyo’s libel suits have allegedly caused. But it also argues that the suits have not only caused the respondents sleepless nights; they also have a chilling effect on press freedom.”

Mihoatra ny antsasany tamin'ireo mpanangom-baovao, mpamakafaka, tonian-dahatsoratra sy mpamoaka lahatsoratra miisa 45 notorian'ny Lehilahy Voalohany, Jose Miguel Arroyo tamin'ny fiampangana fanalam-baraka no niara-nametraka fitoriana taminy ihany koa. Sambany no nisy izany tao Filipina, fitoriana sivily sady fitoriana iombonana. Mangataka fanarenana fahavoazana noho ny fanahiana, fahaverezan'ny fidiram-bola sy ny voka-dratsy hafa nateraky ny fitoriana fanalam-baraka napetrak'Atoa Arroyo ity fitoriana iombonana ity. Saingy milaza ihany koa izany fa tsy niteraka tsy fahitan-tory teo amin'ireo olona nanaovana fanadihadiana ity fitoriana ity fa niteraka fiantraikany ratsy teo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ihany koa.”

Mikasika ny vaovao mifandraika amin'izany ihany, mitatitra ny  Southeast Asian press alliance fa nahazo fandrahonana ho faty ny mpisolovava miandraikitra ny fitoriana ilay rangahy vadin'ny filoha.

Nanao fanentanana fanangonan-tsonia hanalana ny fanalam-baraka tsy ho ao anatin'ny heloka bevava ny vondrona mpanao gazety:

“The record number of cases Mr. Arroyo has filed highlight how the powerful in this benighted land regularly abuse libel laws to curtail the democratic right of the press to delve into the truth behind matters of public interest and the people's right to know. It is also the best argument for decriminalizing an outdated law that has been used not so much to protect the innocent as to shield the guilty. We demand that Congress immediately work to repeal the law on libel, to strike it off the book of criminal statutes, as part of its sworn duty to strengthen our badly eroded and still beleaguered democracy”.

“Ny isa nanamontsana ny teo aloha tamin'ny raharaha fitoriana napetrak'Atoa Arroyo no nanasongadina fa manararaotra ny lalàna momba ny fanalam-baraka ny matanjaka ao amin'ity tany nolovaina ity mba hanakonana ny zo demaokratikan'ny gazety tsy hikaroka ny marina ho an'ny tombotsoam-bahoaka sy ny zon'ny vahoaka hahafantatra. Izany ihany koa no tohan-kevitra tsara indrindra hanesorana tsy ho heloka bevava ny lalàna efa lany daty izay tsy nampiasaina firy hiarovana ny tsy manan-tsiny fa mba hiarovana ireo meloka. Mangataka amin'ny Kaongresy izahay mba hiasa avy hatrany hanafoana ny lalànan'ny fanalam-baraka, hanaisotra izany ao anatin'ny lisitry ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava, amin'ny maha-adidy nianianana mba hanamafisana ny demaokrasia simba tanteraka sy voaloto hatrany.”

Bryanton Post manoratra ny tatitra manerantany manasokajy ny taona 2006 ho toy ny “taona ratsy indrindra ho an'ny gazety tao anatin'ny folo taona mahery”. Manome rohy momba ny toetoetry ny gazety ao Filipina ihany koa ny Inside PCIJ:

“Thirteen journalists died last year, bringing to 49 the number of media practitioners murdered since President Gloria Macapagal-Arroyo came to power in 2001. This number surpasses the numbers killed during the Marcos regime (1965-1986). This also makes the country the most dangerous place in the world for journalists, second only to Iraq.”

“Mpanao gazety 13 no maty tamin'ny herintaona, ka nahatratra 49 ny isan'ny mpiantsehatra amin'ny fampahalalam-baovao namoy ny ainy nanomboka tamin'ny nahatongavan'ny filoha Gloria Macapagal-Arroyo teo amin'ny fahefana tamin'ny taona 2001. Mihoatra an'io isa io ny isan'ny maty nandritra ny fitondran'i Marcos (1965-1986). Mahatonga ny firenena ho toerana mampidi-doza indrindra eran-tany ho an'ny mpanao gazety, faharoa manaraka an'i Irak izany toe-javatra izany. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.