· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2019

Japana: Nankaiza daholo ny dibera?

Nankaiza ny dibera ? – hoy ireo Japone mpanjifa mitaraina rehefa avy nikaroka hatraiza hatraiza ilay vokatra avy amin’ny ronono. Niteraka tsy fahampiana goavan’ny dibera tao Japana ny fitotonganan’ny famokarana ronono velona, izay vao mainka nohasarotin’ny fiakaran’ny vidin'ny voa sy ny fiovan’ny rafitra eran-tany amin’ny fanjifàna vokatra avy amin’ny ronono.

28 Febroary 2019

Shina: Fampitandreman'ny Sina Weibo an'ny Deutsche Welle

GV Mpisolovava

Noterena "hiseho amin'ny endrika hafa" ny kaonty Sina Weibo ofisialin'ny Deutsche Welle tamin'ny 13 Novambra 2011. Fanasaziana mahazatra fanaon'ny Sina Weibo ny famafana ny kaontin'ny mpiserasera namoaka "lohahevitra saro-pady". Raha mikiry mbola hijanona ao amin'ny Weibo ilay mpiserasera, dia tsy maintsy manokatra kaonty vaovao izy ary manangona mpanjohy vaovao indray, antsoin'ny mpiserasera Shinoa hoe "fisehoana amin'ny endrika hafa indray (re-incarnation) izany.

25 Febroary 2019