Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2014
Nankato Ny Fitovian-jo Amin'ny Fanambadiana i Taiwan, An'Aliny Ireo Nanatrika Ny Diabem-pireharehana
Misoritra amin'ny tavan'ireo mpandray anjara tamin'ny Diabem-pireharehan'ny LGBT ao Taiwan ny Fanantenana, nahitana pelaka roa mifankatia miandrnadra fatratra hifanambady.
Ndeha Mba Hitety An-tsary Ny ‘Kianjan'ny Elo’ an'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong
Tranolay maherin'ny 1.600 no nijoro tao amin'ny foiben-toeran'ny hetsika Occupy Central, toerana nilasian'ireo mpanao hetsi-panoherana nitakiany amin'ireo manampahefana ao Hong Kong sy Beijing mba hisian'ny fifidianana mangarahara sy malalaka
Manome Tsirim-Panantenana Ireo Mpikatroka Mpanohana ny Demaokrasia Indray Ny Fiarahaba ‘Hunger Games’
Ny fiarahabana fanangana-tanana amin'ny rantsa-tanana telo nandritra ny fandoroana ny fatin'olom-panjakana teo aloha iray indray no nataon'ny mpikatroka ho fiampangana ny ny fanonganam-panjakana sy ny fahaverezan'ny demaokrasia ao Thailandy.
Araraotin'ny Manampahefana Mba Hamoretana Fihetsiketsehana Ny Lalàna Nataon'i Hong Kong Hiadiana Amin'ny Heloka Bevava Atao Amin'ny Solosaina

Hatramin'ny nanombohan'ny Umbrella Revolution (Revolisionan'ny Elo), efa mihoatra ny ampolony ireo mpisera amin'ny aterineto no nosamborina tao Hong Kong ary nohelohina noho ny "[fitsofohana taminà] solosaina iray, niaraka tamin'ny eritreritra hanao ratsy."
Tafio-drivotra Mahery Vaika Vongfong Namono Olona 2, Maherin'ny 70 Kosa No Naratra Tao Japana
Olona teo amin'ny roa tapitrisa teo no nafindra toerana, ary mbola goavana ny fahasimbana tao amin'ireo faritra ambanivohitra mitoka-monina tahaka ny ao Okinawa na dia misy fetrany aza
Ny Mety Hoavin'i Shina No Hitan'Ireo Ao Taiwan Amin'ny Hetsi-panoheran'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong
An'arivony mahery ireo olona tonga nifamory tao amin'ny "Freedom Square" tao Taiwan mba haneho ny firaisankinany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana any Hong Kong .
Lasa Sary Fihomehezan'ny Pro-Demaokrasia ao Hong Kong Ny Filoha Shinoa Xi Jinping sy ny Elony Vony
Nisy sary fanaovana propagandy ny mpitondra shinoa tanibe nandritra ny fitsidihana ofisialy natao tao amin'ny faritanin'i Hubei no nisy nanao photoshop mametraka azy ho any amin'ireo toerana fanaovana fihetsiketsehana ao Hong Kong.
Miaraka Amin ‘Atoa Sy Ramatoakely “People” Ao Hong Kong, Fantaro Iza no Iza Ao Anatin'ny Revolisionan'ny Elo
Aingam-panahy avy amin'ilay sariitatra Anglisy "Mr Men and Little Miss," no namoronan'i sariitatra maneho ireo mpanao hetsi-panoherana mpomba ny demaokrasia sy ireo mpomba an'i Beijing hita teny amin'ny hetsika "Occupy Central".
Ho Tapaka Tanteraka Ve Ny Aterineto Ao Hong-Kong?

Mety ho tratran'ny fahatapahan'ny tambajotra tanteraka ve i Hong Kong? Milaza ny manampahefana fa mety hitranga izany, saingy sarotra an.
Niala Tsiny Ny Praiminisitr'i Tailandy Raha Nilaza Ny Fanaovana Bikinis Ho Mampiakatra Ny Tahan'ny Famonoana Mpizaha Tany
Noterena hanao teny fialantsiny ny Praiminisitr'i Tailandy nohon'ny hadalàna nataony izay maneho fanambaniana olona taorian'ny famonoana teratany Britanika 2 mpizaha tany.