Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2011
Taiwan: Fanadihadiana Manokan'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohitra ny Nokleary
Toby mpamokatra angovo nokleary faha-efatra no an-dalam-panorenana izao any Taiwan, ao amin'ny tanànan'i Gongliao, 40 km monja miala ny tanànan'i Taipei.
Japana: Bitsika Vonjy Taitra Ho an'Ireo Ray Aman-dReny Mpialokaloka
Raha mbola mampanahy mafy ny toe-draharaha ao amin'ilay toby nokleary ao Fukushima Daiichi [en] ary mampitandry ny amin'ny fisian'ny taratra maheryvaika avy amin'ny iodine sy cesium zava-maniry sy ny rano ny governemanta, mitady toky sy torohevitra avy amin'ireo manampahaizana manokana any anaty aterineto kosa ireo ray aman-dreny manana zaza mbola kely.
Malezia: Miteraka adihevitra ny boky ‘manafintohina’
Adihevitra vaovao teraka tany Malezia ny olana momba ny boky iray natao boky fampiasa hitsongàna lahatsoratra ho an'ny literatiora any amin'ny sekoly ambaratonga faharoa. Interlok dia boky Maleziana nosoratan'i Abdullah...
Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe
Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.
Tsy Maharesy Lahatra ny Antoka Nomen'i Taïwan Momba ny Fiarovana ara-nokleary
Vokatry ny loza nokleary tao Fukishina, Japana, nangatahana ankehitriny ny hijerena indray ny politikan'ny angovo nokleary ao Taïwan, ary izany dia amin'ny fomba manokana satria ny toby nokleary faha-efatra dia...
Shina: Voasakana Ireo Protocoles-n'ny PTP sy L2TP VPN

Fanavaozana tamin'ny 22 Martsa: mpamaky iray no nilaza taminay tamin'ny alalan'ny mailaka fa fa ny sasantsasany amin'ireo protocoles PPTP sy L2TP ihany no voasakana sy tapaka any Shina ary tsy...
Shina: Cybercafé 130.000 No Nakatony Tao Anatin'ny Enina Taona

Araka ny “tatitra Tsenan'ny Cybercafé Shina taona 2010″ navoakan'ny Ministeran'ny Kolotsaina tamin'ny 17 Martsa 2010, maherin'ny 130.000 ireo cybercafé tsy ara-dalàna nakatona tao anatin'ny 6 taona. Ankoatra ny fanakatonana ireo...
Myanmar: Fitantarana ny Taorian'Ilay Horohorontany Avy amin'Ireo Mpiasa Mpanao Vonjitaitra
Mbola tena ao anatin'ny hatairana nentin'ilay horohorontany namely ny fireneny ary nanana hery 6.8 tanteraka mihitsy izao i Myanmar. roa andro aty aoriana. Nandika ireo tafatafa sy tantara samihafa avy amin'ireo mponina sy mpiasa mpanao vonjitaitra izay nanatri-maso ny halehiben'ny dona naterak'ilay fihetsehana tany amin'ny ilany avaratr'i Myanmar ny mpanoratra avy ato aminay mipetraka any Myanmar
Myanmar: Sary Avy Amin'ilay Faharavana Nentin'ny Horohorontany
Horohorontany iray nanan hery 6.8 no namely ny ilany avaratsa-atsinanan'i Myanmar ny harivan'ny Alakamisy 24 Martsa 2011, izay re hatrany akaikin'i sisintanin'i Thailand ary hatrany Vietnam sy Shina lavitra any mihitsy aza. Ilay fihetsehana dia namoizana aina 70 ary nandrava trano maherin'ny 240 tao Myanmar fotsiny. Tao an-tananan'i Tachilek, vatampaty maro no lafo ora maro taorian'ilay horohorontany.
Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011. Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai. Indro...