Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2018
Fahasalamana manerantany: Ny “Gripan-kisoa” an-tsary
Na dia nilamindamina aza ny ahiahy momba ny firongatry ny "gripan-kisoa" dia mbola nitohy ny fiparitahan'ny viriosy nanerana izao tontolo izao . Nanambara ny OMS fa olona miisa 4 379 no tratran'ity virosy ity (2009) tany amin'ny firenena miisa 29. Ireto ny sary vitsivitsy mampiseho ny fiantraikan'ny gripan-kisoa manerantany.
Kambodza : Mety hisintona ny raharaham-pitsarany ifanolanany amin'ny Praiminisitra ny vehivavy iray solombavambahoaka sady mpikatroka
Mety hosintonin-dRtoa Mu Sochua ny fitoriany ny Praiminisitra Hun Sen noho ny antony hoe any am-paosin'ity farany daholo ireo mpitsara maro eo anivon'ny fitsarana.
Indonezia : Ady manodidina ny fanànana ara-tsaina
Niongana nankany amin'ny lisitra maintin'ireo firenena voaara-maso amin'ny fandikan-dalàna mikasika ny zon'ny fananana ara-tsaina napetrak'i Amerika i Indonezia.
Japana: Ndeha ho any an-tsaha daholo ry tanora ! Ny fiovan'ny fambolena japoney
Raha toa ka tena milentika be ny toekarena, mitady ny hanao fangatahana mpiasam-pambolena bebe kokoa ny fanjakana ho toy ny valin'ny tsy fananana asa tsy mitsahatra mitombo, indrindra ho an'ireo manao asa an-tselika izay nofoanana ny fifanarahan'asany [amin'ny teny frantsay].
Shina: ”Sakana maitso” mba hanivanana ireo solosaina manokana

Araka ny Wall Street Journal tamin'ny 8 jona 2009, noteren'ny fanjakana manokana ireo mpanamboatra solosaina maneran-tany mba hampitao rindrambaiko fanasivanana ireo PC aondrany ao Shina manomboka ny 1 Jolay 2009.
Malezia : Tetikasa famoronana rejisitram-panjakana ahitàna an'ireo blaogera.

Namolavola lalàna izay manery ireo blaogera mampiantrano ny blaogy eo an-toerana ny fanjakana maleziana. Very noho izany ny roa ampahatelony tamin'ny isa mahazatra azy tamin'ny fifidianana farany teo.
Shina: Voasakana ao Shina ny Twitter, Flickr, Bing.

Nakaton'ny fanjakana tamin'ny alalan'ny GFW avokoa ireo tranonkala mety hifaneraseran'ny sinoa ao Shina, toy ny Twitter, Flickr, Bing sns. Tsy nanakana ireo sinoa mpampiasa aterineto tsy handingana ity GFW ity anefa izany mba hahafahany miditra indray amin'ny Twitter.
Singapaoro: Fivoriana voalohany ho an'ireo pelaka
Nikarakara ny hetsika voalohany ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT ny PinkDot tao Singapaoro, saika faly tamin'izany avokoa ireo nandray anjara ary miandry fatratra ny andiany manaraka.
Shina: Ho an'ny fitsingerenan'ny taona nitrangan'ny raharaha Tiananmen, ambany fanarahamaso hentitra ny Aterineto

Maro ireo tranonkala sy karajia firesahana an-tambajotra no nakatona noho ny vanim-potoana somary saropady ao amin'ny firenena.
Etazonia, Singaporo: Vady amidy amin'ny imailaka, azo vidiana amin'ny karatra fandoavam-bola Diners Club
Vidiana amin'ny imailaka sy ny karatra fandoavam-bola toy ny entana rehetra ny vady ao Singapaoro. Nandefa fanangonantsonia izay nahita fahombiazana tamn'izany i Amanda Kloer.