Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2009
Ny “New Citizen Media Projects Foster Rising Voices” tany Côte d'Ivoire, Liberia, Sina, Mongolia, ary Yemen
Tamin'ny volana Janoary dia tolotra maherin'ny 270 avy amin'ireo mpikatroka mafana fo, mpitoraka blaogy, ary ONG [Fikambanana tsy miankina] no voarainay, izay samy maniry mafy ny hampiasa ny fitaovam-pampitàna vaovaom-bahoaka...
Cambodia: Mitohy ny fanampiana avy any ivelany mandritra ny Krizy ara-teo-karena
Mitohy hatrany ny tatitra eo amin’ny fanampiana any ivelany ho an’I Cambodia na eo aza ny krizy fahobe ara-toe-karena. Mizara vaovao I CAAI News Media fa hanome vola mitentina 21 tapitrisa dollar ho an’I Cambodia mba analefahana ny fahantrana eny ambanivohitry ny firenena
Myanmar: Fanesorana ny vola nivoaka tamin’ny 1987
Mampatsiahy mahakasika ny fisintonana ilay vola voasolo vaovao toy ny tamin’ny 1987 ny mpamaham-bolongan Niknayman, izany no antony nahatonga ny fiandohan’ny hetsiketsika fitokonana tamin’ny taona 1988 taty aoriana.
Korea: Fihaonana voalohany, ahoana no ahalalanao ny ho sakaizanao anatin’ny 10 minitra.
Amin’ny fomba ahoana no mety ahitanao ilay lehilahy sahaza anao haingana indrindra? Tsinjoko fa mizara famakafakana ara-pomba-piaina (psychologique) mahavariana ireo mpamaham-bolongana izay milaza manao hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahanao...
Fanadihadiana ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina
Notaritin’ny ivo-toerana Repoblikana iraisam-pirenenana ny fanadihadiana mikasika ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina tamin’ny Octobra – Novambra 2008. Tsikaritry ny fanadihadiana fa ny 82%n’ny Kambodjianina no mahita fa mizotra mankany amin’ny lalana tsara ny firenen’izy ireo, ny 59%n’ny Kambodjianina no milazafa olana lehibe ao aorian’ny vidin-entana ny resaka sisitany sy ny fametrahana izany. Ny 85%n’ny mpamaly fanontaniana dia mitaky ny fifidianana ny sefom-pokotany tian’izy ireo apetraka fa tsy hoe akory hanaiky foana izay tendren’ny governemanta .